Edito

Edito Asa angamba atsy ho atsy !


  • Alakamisy 07 Febroary 2019

Tsy manana depiote intsony isika izao. Takalon’izay kosa dia lasan’ny filoham-pirenena ambongadiny ny fahefan’izy ireo. Ara-bakiteny amin’izao fotoana ny mandidy sy manapaka.

 

 

 An-kavitsiana amin’ireo filoham-pirenena eto ambonin’ny tany angamba no manana izany fahefana izany raha tsy isika irery. Hozongozonina koa ny ao amin’ny lapa maitso ao. Tsy hay ny tanjona ao ambadik’izay fa ny azo ambara dia tsy miova ny fanaovana politika eto Madagasikara fa mbola miverina amin’ny taloha. “Anay ialahy anio !”, “Azonay tsy avelany !”, “Izahay izao no eto.” sy ny maro hafa. Samy hiaka zary lasa toetsaina rehefa mahazo fahefana io ary mbola miverina manjaka eto amin’ity nosy ity ihany amin’izao andro tokony handaozana ny fahantrana sy fialana amin’ny tsy nety natao sy tsy nahomby izao. Samy azo nakana lesona avokoa ny zava-nitranga tany amin’ireo firenen-kafa niray zotra tamintsika teo aloha manomboka miharina ankehitriny. Anisan’izany ny fahasahian’ny Kongoley farany teo nanohitra ny fitsabahan’ny firenen-kafa ny raharaham-pireneny. I Rwanda izay efa rotiky ny ady an-trano aza tafarina sy nandroso ihany. Hatramin-dry zareo Etiopianina nalaza tamin’ny kere taloha koa mba efa manomboka mahita masoandro mihiratra ankehitriny. Isika irery sisa no taraiky eto. Ny ankamaroan’ireo firenena afrikanina taraiky amin’ny fampandrosoana indrindra dia ireo zanatany frantsay. Maninona ny hafa mety tonga saina sy mahita vahaolana ialana amin’ny vahohon’ny fanjanahana vaovao fa isika mbola manaiky lembenana hatramin’izao ? Dia mbola hitombina indray ve ilay “asa angamba atsy ho atsy !” amin’ny tononkira mampanantenan’ny tarika Mahaleo mikasika ny fahatongavan’i Bemolanga ? Tantara roa samihafa ankehitriny no mampanahy hiverina. Asa izay hahasoa na ilay filoham-pirenena hijanona eo maherin’ny 20 taona na ny fiverenan’ny fitondrana faha mpanjaka mihitsy. Ny hirariana dia ny hiadanana sy hahafinaritra antsika amin’izay fa tsy hiaina jadona no mbola hitombo fahantrana koa. Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT