Edito

Edito Aoka tsy ho variana!


  • Alarobia 17 Jolay 2019

Manomboka miverina tsikelikely amin’ny fiatrehana ny fiainany andavanandro indray ankehitriny ny Malagasy.

 Enga anie mba tsy ho tapitra fa niato fotsiny ihany ilay nofy nampiainan’izy 23 mirahalahy teo anivon’ny Barea farany teo ary mbola ho lasa lavitra noho ireny aza no faniriana. Na tsy baolina kitra ihany aza fa ireo taranjam-panatanjahantena hafa koa dia azo lazaina ho efa miha mitsiry tsikelikely ny fanantenana fa handroso sy hisandratra ity sehatra iray. Efa tompondaka eran-tany mihitsy isika tamin’ny tsipy kanetibe. Tompondakan’i Afrika tamin’ny ady totohondry. Teo koa ny fibatana fonjamby sy ny hafa saingy tsy ny fanatanjahantena irery anefa no atao hoe raharaha sy fiainam-pirenena. Mandringa tanteraka ny fampandrosoana an’i Madagasikara raha tsy hifantoka afa-tsy amin’io. Be indray ireo tetikasa toa mitady ho tohina tapimaso hanakonana ireo asa hafa tsy vita toy ny eo amin’ny lafiny politika sy toekarena ary, indrindra, moa fa ny sosialim-bahoaka. Hadinodino teo ny fahantrana saingy tsy azo adinoina kosa ny fiantraikan’ny fahantrana amin’ny fahafaha-miainan’ny tsirairay izay efa tondroin’izao tontolo izao ho mena. Aoka tsy ho variana isika noho izany !

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT