EDITO

Antenaina ny rivo-baovao!


  • Alatsinainy 25 Novambra 2024

Antenaina ny rivo-baovao, araka izany, ao anatin’ny fanaovana politika eto Madagasikara

taorian’iny ampamoaka goavana nataona kandida ho ben’ny tanàna iray teto Antananarivo iny. Samy nilaza izany ho nilaina avokoa moa na ny avy amin’ny fitondram-panjakàna amin’izao fotoana izao sy ny avy amin’ny fanoherana hatramin’ny heverina fa raiamandreny sy vavolombelon’ny tantara teto amin’ity firenena ity. Na ireo mpandinika sy mpamakafaka sasany avy ao amin’ny fitondram-panjakàna aza moa dia nanamafy fa akanosàna izany tsy fahasahiana miady hevitra izany ary dia gaga tokoa ny maro nanontany hoe nankaiza ary ilay nirehareha ho «kandidam-panjakàna». Ny kandida sasany milaza azy ho avy amin’ny tena fanoherana moa izany dia tsy hita mba nanohitra akory am-pahibemaso ny lazainy fa lainga resahana momba azy. Tsy sahy nifanatri-maso akory. Hanova ny fanaovana politika eto amin’ny firenena moa ny fanaovana ampamoaka, hoy ny vavolombelon’ny tantàra hatramin’ny repoblika voalohany izay. Ilaina avoaka koa ny fahamarinana, hoy ny mpandinika sasany miaradia amin’izao fitondrana izao. Fehiny, araka izany, ny hoe Antenaina ny rivo-baovao!
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT