Anatra ny lasa ! Efa nanomboka ny taona 1972 no natao batisa ho toeram-pitolomana ny kianjan’ny 13 mey
. Nisy nikasa ny hanampy toeran-kafa moa izany ny taona 2009 saingy noho ny tsy fahazakana demokrasia dia zary lasa toerana famalifaliana ankizy madinika sisa ankehitriny ilay notokanana hoe kianjan’ny demokrasia fahizay. Tsy dia any amin’ny resaka toeram-pitolomana loatra no hipetrahan’ny olana rehefa misy ny fihetsiketsehana malaza toy ity izay mandalo ankehitriny etsy amin’ny Parvis sy manomboka miha miparitaka manerana ny nosy ity. Ny zava-dehibe dia ny fahaizana maka lesona hatrany amin’ny zava-nitranga rehetra tamin’ny lasa. Samy tompon’andraikitra avokoa isika, hoy ny mpandinika iray izay, amin’ny zava-mitranga rehetra eto na korontana io na filaminana. Matoa misy ny fifandrafiana dia misy ny fifampihantsiana. Izay ilay hoe ny vy tsy mikitrana irery. Tontosa iny ny fifidianana izay ho filoha hitondra ny firenena. Samy miandry ny valiny ofisialy ny rehetra. Mandra-pahatonga izay dia nanapa-kevitra ny hampahafantatra mialoha ireo zava-nitranga marina sy nampiahiahy aloha ireo mpanaradia ny kandida iray. Efa miezaka maneho sy mampahatsiahy hatrany moa izy ireo fa fitakiana am-pilaminana ny amin’ny hivoahan’ny tena marina no atao mandra-pahatonga ilay fotoana amoahan’ny avy eo anivon’ny HCC ny tena fanapahan-kevitr’ity fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ity. Ny tanjona dia ny hoe tsy tompon-trano mihono amin’ny fiainam-pireneny sy ny adidy noraisiny avy ny vahoaka Malagasy fa tena hahay handray ny andraikiny raha sanatria ka filoham-pirenena efa voaporofo fa nanosihosy ny safidiny no mbola avela hanapaka ny ho aviny. Etsy an-kilany anefa dia mety ho fiantsoana ny fahatsapan-tenan’ilay voalaza ho nangalatra koa ity fanapahan-kevitra haneho ny marina ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.