Edito

Edito Am-pitiavana be


  • Sabotsy 24 Novambra 2018

Afaka 5 andro sisa raha ela indrindra dia hamoaka ny valim-pifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany, amin’ny fomba ofisialy ny avy eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

 

Mandra-pahatonga izay fotoana izay dia hiaraha-mahita sy mandre ny zava-misy fa mifamahofaho ny hetsika miseho eny anivon’ny fiarahamonina eny. Ao ireo mangataka tsy misy hatak’andro ny fanafoanana iny fifidianana efa nivaly iny. Ao kosa anefa ireo milefitra ihany na dia eo aza ireo tsy fahatomombanana niseho ary dia mampirisika hoe ny efa natomboka tokony hisy farany hatrany. Ireo mba te hametraka ny tenany ho mpanelanelana sy mpandrindra moa dia nanambara kosa fa fotoana tokony hifampihainoana sy hifamitranam-pihavanana izao. Ny mahagaga dia dia tokana ny fehiny hitan’ny mpanara-baovao. Tsy milamina hatrany am-boalohany ka hatramin’izao ny zotram-pifidianana hita. Rehefa jerena ny fomba fijery sy ny fomba fandinik’ireo afaka maneho hevitra dia toy ny mizotra avokoa amin’ny hoe misy miketrika fanakorontanana eto. Misy matahotra fihodinana faharoa eto. Misy manao izay ho afany hiverenana amin’ny fitondrana eto. Izany hoe raha aravona dia resaka seza ilay raha, hoy ry zareo mpikirakira tavamboky izay. Ampiadiana ny eny Ambalambahoaka eny noho ny resaka seza. Korontanina ny eny Ambalambahoaka eny noho ny resaka seza. Voizina ny resaka fanorenana ifotony sy ny fanafoanana fifidianana dia tsy inona akory no antony fa noho ny seza ihany. Inona tokoa moa no antony hanaovana politika, hoy ny sasany, raha tsy izay. Mety ho marina saingy midika kosa anefa ve fa antony tokony hisarihana fifandrafiana sy adim-poko na ra mandriaka mihitsy izany ?  Anjaran’ny rehetra angamba no mandinika sy mieritreritra manoloana ny hafatra am-pitiavana be izany. Ho an’ny mpisehatra politika rehetra fa tsy ny vahoaka tsy mandady harona ihany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT