Miteraka resabe indray ankehitriny ity resaka fikasana hanafoana ny rafi-pitantanana ireo fiantsonam-piara eto Antananarivo Renivohitra ity.
Eto rahateo moa no ivon’i Madagasikara ara-bakiteny no sady itoeran’ireo atao hoe toerana stratejika rehetra hitantanana an’ity firenena ity. Tsy mahagaga, noho izany, raha somary mampifantoka ireo mpanara-baovao kokoa ny tranga misy eto amin’ity renivohitr’I Madagasikara ity. Saika voasolotena eto avokoa ireo Malagasy rehetra isam-paritra izay mila ravinahitra ary hita ho samy sarotiny ihany koa amin’ny renivohitry ny fireneny ka maneho ny heviny mikasika io toe-draharaha io eny amin’ny tambajotran-tserasera eny. Tsy dia izay fanehoan-kevitra isan-karazany izay loatra anefa no maha lasa saina fa ny mahita hoe tsy hiova mihitsy izany ny tantara fa mbola hitohy amin’ny adin’ny mpandrava sy ny mpanangana hatrany. Tanimbarina tokantrano maro an’arivony hektara no horavana eny Ambohitrimanjaka. Izany hoe foto-pivelomana ana Malagasy an’arivony mahery be ihany koa no hisy ho rava ho an’Antananarivo fotsiny ao anatin’ny 4 taona monja raha mbola tsy hilefitra amin’ny tetikasa tanàna vaovaony ny fitondrana. Io indray koa izao ny kandida mpiaradia amin’ny mpitondra eto Antananarivo dia mampanantena fa horavana ny fifanarahana mikasika ny fitantanana ireo fiantsonam-piara. Horavana miaraka amin’izany koa ve ireo fitaovana fanaraha-maso ireo fivezivezem-piara napetraka vokatr’izy ireny ? Sa ho lasa naman’irony “Publiphone” tamin’ny fotoan’androny irony ? Tsy mba misy safidy hafa toy ny hoe fanatsarana ny fifanarahana sa dia hozongozonina koa izany ny antonasan’ireo tomponandraikitra rehetra ao anatin’ity rafitra fitantanana fifamoivoizana ity ? Hanavotra an’Antananarivo sa vao mainka handrendrika azy no tanjona ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.