Edito

Durell Wild Life Alaotra Manamafy hatrany ny fiarovana ny zetra


  • Alarobia 02 Jolay 2014

Mahatratra 42 248 ha ny faritra arovana any amin’ny faritra Alaotra iny. Mampalahelo anefa fa misy namadika ho tanimbary sahady ny 480ha amin’izany izay ao amin’ny tapany andrefan’ny faritra Alaotra. Ao amin’ny fokontany ........

Sampananefatra kaominina Ambatomainty distrikan’Amparafaravola no tena betsaka potika ny zetra. Nisy sahy nanao borinazy ilay toerana arovana ka nahatonga ny avy ao amin’ny Durell Alaotra niantso ireo vondrona olona ifotony handray ny andraikiny. Nambaran’ny tomponandraikitry ny Durell Alaotra Rasolonjatovo Bary Jean fa hisy ny fidinana ifotony hametrahana balizy izay mamaritra ireo faritra arovana sy ny azo trandrahana. Fantatra fa betsaka ny bornazy tsy manara-dalàna ka tokony handraisana fepetra. Nisy ny fivoriana lehibe notanterahina tany Ambatomainty nikatsahana vahaolana amin’io fahasimbana ny zetra io. Nitarika izany ny lehiben’ny distrikan’Amparafaravola, ny ben’ny tanàna Ambatomainty sy ny avy ao amin’ny sampandraharahan’ny tontolo iainana Alaotra Mangoro ary ny Durell Alaotra sy ireo fikambanana samihafa izay mitonona ho mpitantana ny zetra. Nivoaka tao anatin’io fivoriana io fa misy amin’ireo fikambanana mitonona ho mpitantana ny zetra no tsy manara-dalàna satria tamin’ny alalan’ny hitsivolana 60.133 no nananganana izany raha tokony ho ny hitsivolana avy eny amin’ny sampandraharahan’ny tontolo iainana 2.027 no hanaovana izany. Efa betsaka ny voka-dratsy nateraky ny fahapotehan’ny zetra toy ny tanimbary ngazana any Amboavory. Raha tena hitsinjo ny taranaka any aoriana marina, hoy ny avy ao amin’ny Durell dia mila hamafisina ny fiarovana ny zetra any Alaotra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT