Edito

Drafi-panapotehana


  • Alarobia 24 Oktobra 2012

Hafahafa ihany ilay soso-kevitry ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI) milaza fa ahena ho roa taona ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena eto Madagasikara, ary tsy misy kandida amin’ny fifidianana Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.

 Olon-dehibe mahalala tsara ny zavatra ataony sy teneniny ny filohan’ny COI ary matoa miteny zavatra iray, dia misy antony izay ary mety efa baiko azony avy any amin’ny mpaniraka azy. Inona moa fa dia io ilay paikady nantsoina hoe : “ni…ni” na sady tsy Ravalomanana no tsy Rajoelina. Politika tena avo lenta anefa izy io ary mety maro ny zavatra ao ambadika. Mety ho fanilihana azy mirahalahy ireo satria atoa Marc Ravalomanana dia efa tsy mety amin’ny Frantsay intsony ny hiverenany eto, ary i Andry Rajoelina kosa dia mitarazoka loatra amin’ny fanatanterahana ny iraka nampanaovina azy ka mety hosoloina olon-kafa haingam-piasa sy matotra kokoa, izy rahateo tsy tian’ny Be kintana. Mety politika avo lenta hanilihana ara-politika an’i Marc Ravalomanana fotsiny koa anefa io, ka mody ampadeferina aloha ny filohan’ny tetezamita fa amin’ny fifidianana manaraka izy tohanana sy atosika mafy indray. I Frantsa rahateo manan-tsafidy amin’izay mpanao politika mety hosoavaliny indray raha toa ka mamotsotra ny “jocker” nianteherana hatramin’ny 2009.

Ny manaitra kely moa ao anatin’izany rehetra izany ny fahanginana tanteraka eo amin’Atoa Marc Ravalomanana sy ny tsy fikoropahan’i Andry Rajoelina mihitsy. Fa na inona na inona olana mitranga sy fanakianana miantefa aminy dia toa tsy mampihetsi-bolomaso azy akory izany, ny ataony ihany no ataony. Fa nahoana mihitsy ary ? Ireo mpandinika ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny politika dia misy efa maminavina fa havotsotry ny sehatra iraisam-pirenena ny filoha teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita ary mety hasiam-panamboarana ny tondrozotra na ovaina mihitsy aza, satria efa tena hita fa tsy nahavaha olana.

Mampalahelo moa fa toa lasa resabe fotsiny, hatramin’izao ilay hoe : Diniky ny samy Malagasy, fa mbola ny avy any ivelany no manao zavatra eto, tena mangetaheta ambony lakana ramalagasy, ary mahantra kanefa harena be ny ao amin’ny taniny. Tsy afa-miala ireo mpanao politika fa tompon’andraikitra feno amin’izao fivarinan’ny firenena any an-kady izao, maimaika nanampy ny mpanongam-panjakana, kanefa tsy mba nanadihady akory ny tena tanjony marina. Indraindraina ery izao ny hoe manjifa ny vita Malagasy, kanefa ny 90%-n’ireo entana ireo dia vokarin’ny orinasana vahiny (Karana sy Frantsay) avokoa. Raha ny tena marina izany dia vita eto Madagasikara fa tsy vita Malagasy ireo entana ireo ary ny vahiny no mbola mahazo tombontsoa betsaka aminy raha toa ka mividy azy ny mpanjifa. Ny Malagasy mandritra izany rehetra izany dia efa manomboka mifamono any atsimo any, tsy avela mody eto i Marc Ravalomanana kanefa miditra araka izay tiany eto ny teratany vahiny hitrandraka sy hitroka ny harem-pirenena, na koa hanao “tourisme sexuel” ka hanimbazimba ny zazavavy Malagasy. Dia hita mihitsy fa misy drafitra hanapotehana ity Gasikara ity any ho any, ka asakasak’izay mbola minia mikipy tsy mijery ny tena zava-misy marina ihany, na sanatria hiray tsikombakomba amin’ny mpanjaka amin’ny fanandevozana ny Malagasy amin’ny endriny maoderina e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT