Edito

Don-tandroka !


  • Alatsinainy 17 Mey 2010


Manezaka mafy ny handresy lahatra izao tontolo izao amin’ny fanekena ny sori-dalan’i Andry Rajoelina ny Frantsay, saingy tsy mety tafita amin’ny tanjona iriany. Mazava ny hevitr’ireo masoivoho vahiny rehetra eto amintsika, ankoatra an’i Frantsa, fa fanapahan-kevitra samirery no nataon’i Andry Rajoelina. Tsy ahitana taratra ny fiaraha-mitantana eken’ny rehetra ny tetezamita mijoro eto ary tsy manaiky izany ny sehatra iraisam-pirenena. Ity izany ilay hoe miverina zero indray ny zava-drehetra, tsy mety tafavoaka amin’ny paipaikan’izy ireo Rajoelina sy ny Frantsay. Natao tsara pasoka ny vato, saingy miteny ho azy ny karatra, tsy misy vahaolana eken’izao tontolo izao afa-tsy ny fifanarahan’i Maputo. Izay aloha ny zava-misy hatramin’izao. I Madagasikara rahateo, tsy mbola izao no hanava-tena ka hisintaka eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mbola sahirana isika ary mila ny fanampiana sy ny famatsiam-bola avy any ivelany.

Tsy tafavoaka ny baolina hatramin’izao, siosion-dresaka isan’andro ny fijoroan’ilay governemantan’ny fanavotam-pirenena. Ny olana anefa dia tsy mety tafajoro ilay izy ary na ireo mpanohana fatratra ny HAT aza manomboka miahiahy sy tsy resy lahatra 100% amin’ny fananganna azy. Don-tandroka fotsiny sisa no ataon’ireo manam-pahefana, miainga amin’ny filohan’ny HAT izany, mandalo amin’ny praiminisitra ary hamafisin’ireo minisitra sy mpikambana HAT vitsivitsy mbola sahy miseho vahoaka. Mba nanao don-tandroka koa ny Frantsay, saingy efa nahazo valin-kafatra sahady avy any amin’ireo firenena vahiny hafa, tsy voatery hanaiky izay rehetra ambara aminy. Miha sarotra isan’andro ny fikatsahana vahaolana amin’ny krizy, ary vao mainka manahirana ny fizirizirian’ny ankolafy Rajoelina, izay tsy manaiky ny ho diso mihitsy ary mieritreritra ny hafa ho ambinambin-javatra sy fanapenana ny banga fotsiny. Tsy nahomby ny don-tandroka, ary raha ny fahitana azy dia tsy hahomby mihitsy izany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT