Edito

Domina tapany handoa erany !


  • Sabotsy 10 Desambra 2016

Nampanantenain’ny vahiny ny mpitondra fa hampindramina vola mitentina 10,2 miliara dolara ny Malagasy.


 Mirehareha fatratra ny fitondrana Rajaonarimampianina taorian’izay fa niverina ny fitokisan’ny sehatra iraisam-pirenena,  indrindra ny mpamatsy vola. Nahoana anefa no tsy sahin’izy hazavaina amin’ny antsipirihany ny zana-bola alain’ny vahiny sy ny fe-potoana hamerenana izany ? Tsotsorina amin’ny hoe misy ny vola fanomezana fa ao kosa ny haverina saingy manana fe-potoana lava isika hanonerana io trosabe nampidirin’izy ireo io. Nodomina tapany anefa Malagasy mba handoa erany. Tsy maintsy honerana ambony lavitra noho izay ho azo io volabe io, tsy maintsy omena vahana ny fanjakazakan’ny vahiny amin’ny harena eto Madagasikara. Ny tena loza dia terena ny hampanginana ny resaka momba ireo nosy Malagasy, izay ambony lavitra noho io vola namandrihana ny Malagasy io ny tentim-bidiny. Izao ny firenena sady nidiran-trosa sy ataon’ny olona tantely afa-drakotra satria ananany fahefana noho io volabe io, ary tsy maintsy zairina ny vava amin’ny fitakiana ireo haren’ny tena tsy hita noanoa satria efa voavidiny ambongadiny ny mpitondra, izay diso misolelaka sy matin-kenamaso. Efa tsy tompon’ny tenany intsony fa tratr’ilay hoe nodomina tapany mba handoa erany e ! 

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT