Edito

Dokotera aorian’ny fahafatesana…


  • Alarobia 06 Febroary 2019

Tsy sanatria fitia te hitsikera be fahatany na hanakiana an-jambany, fa zary dokotera aorian’ny fahafatesana hatrany ny fitondram-panjakana eto amintsika.

 

 

 Sesilany ny loza ary misy ny heverina ho azo nosorohana, kanefa any amin’ny fahavoazana mihoampampana toy ny famoizana ain’olona vao tena mikorapaka ny fitondram-panjakana. Raha hiverenana ny zava-nisy teny Ampamarinana, dia efa ny 19 janoary no nisian’ny loza mahatsiravina namoizana ain’olona am-polony mahery. Nanomboka tamin’iny no efa nandeha ny toromarika fa mbola misy ny loza mety hiseho, ka tokony hoesorina aloha ireo olona tandindonin-doza. Mbola tsy niseho ny loza no nilaza ny minisitry ny mponina, fa hafindra eny amin`ny tranon`ny Analogh Ambohidratrimo ireo traboina teo Mahamamasina, izay fiaraha-miasa amin`ny ministeran`ny fanajarian`ny tany sy ny fananan-tany. Nolazainy ihany koa tamin’izany  fa eo am-pitadiavana toerana hametrahana ireo olona tandindonin-doza, saingy indrisy fa mbola tsy tanteraka ilay vahaolana dia niseho indray ny loza namoizana ain’olona ny alahady teo. Niara-nirodorodo ny mpikamban’ny governemanta maromaro, nisy ny filankevitry ny minisitra maika, ka horaisin’ny fanjakana ny lany amin’ny fitsaboana ireo naratra, afindra toerana ireo mponina 2003 tafo eny amin’ny faritra avo manodidina an’Ampamarinana,... Tsy mba nisy ve ny fitsirihana ara-tsiantifika azo natao hahafahana mijery ireo vatobe na tany mety hihotsaka? Amin’izao anefa dia voalaza fa vato miisa 24 no ahiana mbola hitriatra sy hitera-doza, ka henjana ny fandraisana fepetra. Rehefa ho avy ny loza, dia tsy hay sakanana, hoy ny fitenena, saingy tsapa ihany fa mety nisy ny azo sorohina raha tena mandray andraikitra ny mpitondra. Mety misy tokoa ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny, fa ny hita sy tsapa aloha, dia any amin’ny kajikajy politika no tena manavanana azy. Tany no tena nifotorana sy nandaniana ron-doha, raha tsy hijery afa-tsy ny nikatsahana ilay fahefana feno hanao lalàna, rehefa rava ny antenimiera. Miandry ny rehetra satria betsaka ny fanantenana, saingy toa efa niniana nofehezina ny zavatra nambara tao anaty Programa ankapoben’ny fanjakana, sao mbola hofatoran’ny ten yeo!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT