Mitaraina ireo mpiasa manodina ny dispansera Tsinjo Aina etsy amin’ny katedralin’Analakely fa nakaton’ny tompon’andraikitra tampoka tsy nisy fampierana sy fampilazana tamin’izy ireo ity toeram-piasany ity nanomboka omaly talata 1 jolay.....
Rehefa avy nandray ny karama faran’ny volana toy ny mahazatra izahay ny alatsinainy teo, hoy ireto mpiasa ireto, dia nolazain’ny tompon’andraikitra fa mijanona amin’ny asa avokoa fa hakatona ny dispansera fa mahazo mody izy ireo. Tsy nandeha anefa izahay fa niandry ny ora firavana mahazatra tamin’ny 4 ora, hoy ireto mpiasa ireto izay ahitana dokotera 2, mpitsabo nify 1, mpanampy azy 1, mpitam-bola 1, Farmasianina 1, ary sekretera 1 izay efa niala tsy ela akory izay. Akory anefa ny hagagana, hoy izy ireo, fa nohidiana gadanà (cadenas) ny varavaramben’ny dispansera. Nohamafisin’ny mpiandraikitra ny fiangonana fa hakatona tsy hovohaina intsony izy io ary tsy nahazo valiny mazava ry zareo raha nanontany ny antony fa valy boraingona no azo. Dia izao izahay eto ivelany fotsiny eto izao ka mamerina fotsiny an’ireo mpaka fanafody sy mpanao fanabeazana aizana efa tonga teto fa zatra ity toerana ity. Nampilaza malaky ny Foibe Fjkm izahay, hoy izy ireo, ary nametraka fitarainana any amin’ny « Inspecteur de travail » koa satria sady tsy nahazo « préavis » no tsy nahazo taratasy mazava fampiatoana amin’ny asa avy eo dia izao nampiantso anareo mpanao gazety izao. Raha natonin’ny mpanao gazety tokoa ny tompon’andraikitra iray ao amin’ity fiangonana ity dia nanambara fa tena mavesatra ho an’ny fiangonana ny fiantsorohana ny lany ao amin’ity dispansera ity satria tsy natao hitadiavam-bola araka ny fitsipika anatiny mifehy azy izy fa natao ho fanasoavam-bahoaka fotsiny ihany (à but non lucratif) ka nanapa-kevitra izahay ny hanakatona azy aloha araka ny fivoriana nataon’ny diakona tamin’ny faran’ny herinandro teo ka hoeritreretina hahavelon-tena amin’izay. Efa nangataka fihaonana amin’ny mpiandraikitra ato amin’ny fiangonana miaraka amin’ny Mpitandrina moa ireto mpiasan’ny dispansera ireto ka anio alarobia maraina no nifanarahana fa hifampidinihana sy handraisana fanapahan-kevitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.