Edito

Diso toerana !


  • Talata 21 Oktobra 2014

Hanana ny lanjany manokana eo amin’ny fiainam-pirenena ny fivoriana ara-potoana faharoa an’ny Antenimieram-pienena manomboka anio talata 21 oktobra 2014. Maro be mantsy ny feo re etsy sy eroa fa ny olona ao anatin’ny fitondram-panjakana ihany no mamoaka azy hoe hisy ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta ary ny praiminisitra mihitsy no mety ho lohalaharana hosoloina amin’izany

. Efa tsapa hatry ny ela fa karazana saribakoly fotsiny ingahy Kolo Roger tao anatin’izao fitondrana izao, zara raha nomena andraikitra izy ary matetika tsy hita tabilao amin’ny zavatra mitranga eto amin’ny firenena fa dia voasongon’ny f iadidiana  ny repoblika foana ny primatiora. Mety efa hatrany am-boalohany, hoy ny mpandinika ny raharaha politika no efa natao ambinambin-javatra ny praiminisitra, ary mety noho izy ilay nanolotra ny toerany ho an’ny kandida Rajaonarimampianina fotsiny no nanendrena azy ho praiminisitra sady minisitry ny fahasalamana, fa raha ny tena marina dia tsy zakany izany andraikitra goavambe izany. Ary na ny olom-pirenena tsotra aza dia mahatsikaritra fa tsy amin’ny toerana tokony hisy azy ny Dr Kolo Roger ary tena nidi-kizo raha nanaiky ny ho praiminisitra. Aoka hazava fa politika no resaka eto ka  tsy maintsy misy foana ny zavatra tsy ampoizina mitranga e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT