Edito

Diso tia tena loatra


  • Alarobia 06 Mey 2015

Araka ny efa nanampoizana azy dia tsy metimety amin’ireo depiote ilay fehin-kevitra nivoaka avy amin’ny diniky ny fampihavanam-pirenena teny Ivato. Ilay andininy manondro ny tokony handravana ny andrim-panjakana rehetra ankoatry ny filohan’ny repoblika no tena tsy mety amin’izy ireo satria mahakasika azy ireo mivantana

 


. Tsy nisy intsony ny resaka ankolafy, raha ny hita omaly fa dia niray feo ny depiote na dia nisy aza ireo mody tsy niteny. Mbola azo itarafana ny fomba fanaovana politika hafahafa eto amintsika ny zavatra tahaka izao, tsy misy akory ny fandinihana lalina, tsy fantatra marina na hanapa-kevitra handrava ny parlemanta marina ny filoham-pirenena na tsia, dia indro fa tonga fofona avy hatrany ka manao vava be ny sasany. Inona no fandrosoana azo antenaina raha toa ka ny mpitantana no manana fomba fisainana tahaka izany ? Dia tena sahy milaza ve ry zareo eny Tsimbazaza fa mety ny nataon’izy ireo ? Ahoana ny resaka vola be sy kolikoly mampalaza ratsy azy ireo teo aloha kely teo ka nampiovaova loko politika ny depiote maro ? Ekena fa mety misy ny solombavambahoaka tena mitondra ny hetahetan’ny olona nifidy azy, saingy maro be koa ireo solombavambahoaka mersenera miova foto-kevitra ijoroana arakaraka ny tombontsoa azony. Farany, toa tsy mendrika ihany raha mandritra ny fotoam-panokafana ofisialy ny fivoriana ara-potoana no milaza ny vetsovetsom-pony ampahibemaso manoloana ireo vahiny nasainy ny birao maharitra. Fa tsy mba nahita fomba hafa mihitsy ve hanehoan-kevitra fa tsy maintsy tahaka ireny e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT