Edito

Diso paikady ?


  • Alatsinainy 13 Aprily 2015

Mandroso mihemotra ! Izay no azo ilazana ny zava-misy eto amintsika raha ny raharaham-pirenena no resahana, indrindra moa fa ny politika.

 

 


 Midika izany fa mbola ho lavitra ny fivahan’ny krizy, ary ny manahirana dia toa ireo mpitondra fanjakana mihitsy no mamorona olana hampitarazoka hatrany ny fifandaminana eto. Natao ny fampihavanam-pirenena, efa maro ny zavatra nifampiresahana tao na dia tsy mbola nisy aza ny fehin-kevitra navoaka. Toa miverin-dalana anefa isika izao, mitady hiverina indray ilay fampiasana ny herim-pamoretana, hifehezana ny tsy mitovy hevitra amin’ny tena, na ireo izay heverina fa mety hahazaka vahoaka amin’ny fifidianana. Maro no mahita fa ho sahirana ny fitondram-panjakana raha tsy mahay mitantana ny raharaha Ravalomanana satria ny tena mety hankahalain’ny olona ary ny seza mety hihozongozona ihany koa. Asa moa izay tena paikadin’ny mpitondra fanjakana momba ity raharaha ity ! Tsy fantatra ny politika avo lenta any ambadika any fa ny azo antoka fotsiny dia manaratsy endrika ny fitondran’ny HVM ny antsojay atao amin’i Marc Ravalomanana, ary mety hivadika zavatra hafa ho an’ireo mihevitra azy fa manampahefana … atsy ho atsy !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT