Mivenjivenjy etsy sy eroa ny FAT, saingy vitsy dia vitsy no resy lahatra sy manaiky ny zavatra ataony.
Na taiza na taiza teto ambonin’ny tany, tsy mbola nisy nanaiky izany mpanongam-panjakana nikarakara fifidianana izany. Ny eto amintsika dia mivandravandra tahaka ny tafika andrefan-tanàna ny fiandanian’ireo manampahefana amin’Atoa Andry Rajoelina sy ny ankolafiny, izy anefa dia tsy maintsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo. Tsy filam-baniny akory ny an’ny mpanohitra fa mba tsy rariny sy tsy ara-dalàna kosa raha avy nanongam-panjakana ianao, dia nandefitra ny rehetra ary nanaiky fa ianao no mitantana ny rafitra tetezamita kanefa ny tianao sy metimety aminao ihany no ataonao ary ahilikao tsotra izao ireo tsy mitovy hevitra aminao. Mba niezaka ny hanao asa tsara sy tsy hiandany amin’ny atsy na ny aroa ihany ny CENI, nefa dia iny niaraha-nahita iny fa nahazo ny hafatra ary nahena tsotra izao ny fahefany ka tsy atokisan’ny olona intsony ny maha mahaleotena azy. Anarana isalorana fotsiny sisa e !
Namoaka ny fehin-keviny mikasika ny krizy malagasy iny ny Vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny filaminana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, ary nanamafy izay tapaka tao Sandton. Efa nisy ihany tato anatin’ny herinandro izao ny adivarotra nataon’ny FAT izay mivavaka mafy mba hahazo fankatoavana iraisam-pirenena sy tsy hosaziana intsony. Hanao ahoana indray ny ho fitrangany, satria ny Vondrona Afrikanina dia tsy mahalala afa-tsy ilay "transition inclusive et consensuelle" ary tahaka izany avokoa ny hevitr’ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena maro, ankoatra ny Frantsay sy ny akamakamany. Tsy mbola i Frantsa anefa no matanjaka indrindra eto amin’ny planeta tany ka hanindry bokotra sy hibaiko ny rehetra, ary maro ny mpandinika mahita fa tena diso paika i Lafrantsa raha mbola miantehitra amin’ny FAT sy ny fomba fitantanany ny firenena amin’izao fotoana ka ho hitan’ny havany eo ny farany. Tsy nisy afa-tsy fifidianana iray no vitan’ny FAT tao anatin’ny roa taona ary tena lasa nalaza ratsy amin’ny karazana trafika sy biznesy maizina isan-karazany i Madagasikara tato anatin’izao fitondrana tetezamita izao. Izany ve no fanovana ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.