Edito

Diso paika


  • Alarobia 14 Septambra 2016

Raikitra indray ny fifanarahana sy fahazoana famatsiam-bola amin’ny fanatontosana ny fifidianana eto amintsika.

 Toy ny efa fandre mahazatra dia mampanantena ezaka hanaovana izay hampangarahara ny fifidianana hatrany ireo mpikarakara. Ny zava-misy anefa hatreto dia miha maivana hatrany ny lentan’ny fifidianana niseho fa tsy mbola nahitana fivoarana. Paika fototra heverin’ny avy eo anivon’ny CENI fa tokony hatao laharam-pahamehana amin’ity ny fanabeazana ny olom-pirenena. Hosantarina any Toliara izy ity ny 1 desambra izao ary hotohanan’ny PNUD na fandaharan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana. Raha ny fomba fampahafantarana tetsy Alarobia omaly, tsy niova ny fomba fiasa satria dia toy ny teny efa voarafitra an-taratasy sady teny frantsay avokoa no novakian’ny solontena roa tonta. Tafiditra ao anatin’ny resaka ve ny mponin’i Beraketa sy ny any ambany ravinkazo rehetra any ? Hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena tsy nahomby ara-pampitan-kafatra hatramin’izay toy ny fanentanana amin’ny haino aman-jery sy dokambarotra foana ve ny CENI ? Sa mba hitety trano ? Mila tadidiana mantsy fa ny kolontsain’ny teny no tena maha gasy.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT