Mitombo ihany ny fahadisoana paik’ady politika ataon’i Andry Rajoelina tamin’ireny fihetsiketsehena miendrika fametrahana amin’ny toerany mpanjaka ireny, araka ny fahitan’ny maro azy. Efa io resaka fiaviana sy fiandrianana ary firaiketam-po be loatra tamin’ny vanim-potoana faha mpanjaka io no nanakianan’ny olona an’ i Marc Ravalomanana, hoy ny sasany kanefa toa mitady hamerina izany indray ny filohan’ny FAT. Ny hafa kosa etsy ankilan’izay dia mahita fa tena mbola tanora saina marina ity nisora-tena ho filoha ka manandra-tena ho mpanjaka ity, ary tsy mahay mamakafaka tsara akory ny hoditr’akondro atsipin’ireo tandapa ao ambany tongony. Tsy vitsy koa no mieritreritra amin’izao fotoana fa mbola eo am-panatanterahana ny «mission» nampiandraiketin’ny vazaha mena sofina azy amin’ny fandranitana sy fandrehetana ny adim-poko, angamba i Andry Rajoelina, ka izay no mahatonga ireny fihetsiketsehana tsy voahevitra ireny.
Tena nanaitra ary nanafintohina olona maro, na ny avy eto Antananarivo na ny avy any amin’ny faritany ny zava-nisy tamin’iny sabotsy 11 desambra nametrahan’ny FAT ny Repoblika faha-4 iny. Tranga roa no ho singanina eto : voalohany, dia nialohavana fanompoam-pivavahana (Kristianina) niraisam-pinoana teny Iavoloha mialoha ny nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny fahaterahan’ny Repoblika vaovao ; voalaza ao amin’ny andininy voalohany amin’ilay lalàmpanorenana anefa fa : “firenena iray ny vahoaka Malagasy mivondrona ho fanjakana masi-mandidy, tokana, repoblikana ary tsy mampifangaro ny fitondram-panjakana sy ny finoana”. Faharoa dia ilay hoe nahoana moa no nampivadiana tamin’ny fitokanana ny lapan’ny tanànan’Antananarivo ka nanehoana ny fombafomba fanao rehetra teto Imerina ny fahaterahan’ny repoblika faha- 4, izay tsy an’Antananarivo irery raha ny marina fa an’ny Malagasy rehetra manerana ny nosy. Teo ireo nilaza fa inona no maharatsy raha tany amin’ny fiandohan’ny taona 2011 tany vao notokanana ny Lapan’ny tanàna, fa tsy nafangaro amin’ny lanonana ofisialy fananganana Repoblika vaovao ? Saingy efa iaraha-mahalala ihany moa ny fomba fiasan’izao fitondrana tetezamita izao fa dia hainy tsara ny manafangaro ny akoho amam-borona mba hampajavozavo ny zavatra ataony any ambadimbadika any.
Hentitra ny FAT nilaza fa tsy maintsy ajanona avokoa aloha ny fihetsiketsehana ara-politika an-dalambe amin’izao vaninandron’ny fety izao, izy indray anefa no manakorontana ny sain’ny olona amin’ny fihetsiketsehana tsy voahevitra sy mety hampizarazara ny samy Malagasy. Efa im-polo kely no nanambarana teto fa mila manana saina matsilo sy mahatsinjo lavitra izany hoe olona mpitarika firenena izany fa tsy taitaitra amin’ny fihetsiketsehana ivelany fotsiny. Azo eritreretina fa mety nanan-kevitra ny tena hampifaly ny vahoaka sy hanolotra zavatra tsara ho azy i Andry Rajoelina, saingy mety tsy mbola nodinihan’ny sainy tsara ny fomba hanatanterahana izany fa dia fety aman-danonana tahaka ny fanao fahiny ihany no tena nahadodona azy. Dia ireny no fivoakany, sady efa vitsy ny olona nanatrika ny lanonana, no mbola nitombo isa indray no tsy resy lahatra intsony amin’ny politikam-pitantanan’i Andry Rajoelina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.