Edito

Diso mahatoky tena loatra


  • Alarobia 01 Jolay 2015

Tsy misy raharaha vanona ny fifanatrehan’ny governemata sy ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza noho ny tsy faneken’ny fitondram-panjakana handefa mivantana ny adihevitra amin’ny RNM sy ny TVM.

 Tsy dia ara-teknika loatra ny olana fa mety ara-politika raha ny fandinihana azy satria mety misy ny minisitra hihanjahanja eo sy tsy hahita ambara rehefa tena raikitra ny adihevitra satria tsy mazava ny fandaharanasa, ary vitsy dia vitsy ny asa vita tena mahakasika ny fiainam-bahoaka. Mazava iny resaka iny fa dia tsy mahay miserasera izao fitondrana HVM izao. Mifampitohy amin’izay ihany ilay fihaonana eo amin’ny filoha sy ny solombavambahoaka. Handamin-javatra tokoa ve izy io sa fivoriana tsy hamokatra tahaka ny fahita hatrizay indray ? Samy miziriziry amin’ny heviny mantsy ny roa tonta, ary tato ho ato dia niha nasiaka mihitsy ny firesaky ny filoham-pirenena sy ireo minisitra sasany rehefa maneho hevitra izy ireo. Toa lasa mahatoky tena izany ary manamaivana ny hevitry ny hafa. Mety efa manana paikady angamba…sa hampiasa vola be sy herim-pamoretana ka tsy matahotra ny fihetsiketsehana etsy sy eroa ? Tokony hampieritreritra ny fitondram-panjakana anefa ny fihetsehan’ny fivondronamben’ny sendika amin’izao fotoana fa raha tsy ahitam-bahaolana io dia mety hitarika ny fandrodanana ireo mpitondra mihitsy !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT