Edito

Diso lazaolana


  • Alakamisy 01 Martsa 2018

10 volana sisa dia hifarana tanteraka, raha sitraky ny Nahary, ny fitondrana Rajaonarimampianina. Azo antoka, raha tsy fahagagana,


 fa tsy hisy asa fampandrosoana goavana hanala ao anatin’ny fahantrana hotontosain’izao fitondrana mijoro izao intsony. Sarinteny ihany ny filazana matetika fa tsy nisy ny zava-bitany. Azon’ny sarambabem-bahoaka anefa ny tao ambadik’io fa tokony hitohy hoe tsy nisy nanatsara ny tao am-bilanin’izy ireo. Nohirahiraina fa miasa izao fitondrana izao ary noporofoina tamin’ny alalan’ny fitokanana ireo fotodrafitrasa tetsy sy teroa ny bainga voavadika. Nipaka tany am-bilanin’ny vahoaka izay efa miha fadiranovana ve ? Diso lazaolana ny fitondrana mijoro satria na dia efa natoro foana aza ny amin’ny tokony hametrahany ny fanontaniana tokony hipetraka manoloana ny zava-misy marina dia nohenoiny fotsiny hatrany. Dia toy ireny manao fanadinana ireny ihany rehefa aravona ny nanjo ny fitondrana ka rehefa diso ny fandraisana ny laza adina dia diso koa ny lazaolana niaingana hamahana ny olana hany ka nivaona tsy araky ny tokony ho izy hatrany ny valim-panontaniana nasesika.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT