Vita iny ny fetin’ny Krismasy. Isan-taona dia saika ny fehezanteny hoe natao izay nety fa tonga
ny fety na dia manahirana aza ny fiainana no heno teny am-bavan’ny sarambaben’ny Malagasy, raha toa ka mifanontany ny fomba niatrehany izay fety izay avy. Tsikaritra ho tsy dia heno firy intsony kosa anefa izany fehezanteny izany tamin’ity taona ity. Tsy miafina tamin’ny rehetra ny zava-nisy vokatry ny krizy ara-pahasalamana niainana tao anaty 8 volana ngarangidina. Tsy dia tena afa-nanao ny nety arak’izay fiheritreretany azy loatra toy ny isan-taona ny rehetra. Niezaka nanao izay azo natao, hoy ny fehezanteny vaovao izay soa ihany fa mbola mifono fanantenana lalina na dia eo tokoa aza ny fahasahiranana mianjady. Io moa izao ireo mpitondra fa manao izay mampamirapiratra ivelany ireo tanana eto amin’ity firenena ity tao anatin’izay iray volana manodidina izay. Tena hifety tokoa ve no tanjona sa hanankona ilay fahantram-bahoaka izay efa tena diso maha menatra ny milaza azy ? Jereo ny ezaka, hoy ny ben’ny tanànan’ny renivohitry ny firenena izay. Valalanina ny rehetra manontany hoe ilay fako efa mameno ny arabe sy mandoto sy maha maimbo ny tanàna ve io ezaka lazainy io? Hihaingo ambony tsikoko mijery girlandy ve, hoy ilay mpanao politika iray izay ? 11 taona mahery izay isika no diso lalana amin’ity seho ivelany entana hanakonana tsy fahombiazana ity. Dieny mbola tsy tara, inona moa izany no antony tsy hifanatonana sy hifampihainoana hikarohana vahaolana miaraka? Sa mbola ionona amin’ilay hoe “Ny mpanenjika toujours afara”? Tsy efa isika ve moa izao no isan’ireo firenena gisitra indrindra mila manenjika ny firenen-kafa rehetra?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.