Edito

Diso fipetraka ?


  • Alatsinainy 04 Septambra 2017

Mijoro izany izao ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy. Fotoam-pianinana sisa andrasana dia ho avy ilay antsoina hoe : “Fampihavanam-pirenena”.

Fa iza tokoa moa no miady sy mila hampihavanina eto  ? Ny mpitondra sy ny mpanohitra ? Ny naongana sy ny voaongana ? Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa. Mampanahy ihany ny tsy hahatongavana amin’ny tena tanjona, dia ny hihavanan’ny Malagasy manontolo. Mety ho vita ihany angamba ny hampihavana ny mpanao politika amin’ny adivarotra seza isan-karazany, ka rehefa mahazo toerana ny rehetra, dia mety hangina sy hikombom-bava. Raha tsy ny Malagasy miainga any amin’ny mpitondra sy ny mpanao politika isan-tsokajiny mipaka hatrany amin’ny Malagasy farahidiny no tonga saina tsikelikely hiara-mandray fiaingana hampandroso ny firenena, dia tsy hisy zava-banona eto. Zava-dehibe ny finiavana avy amin’ny mpitondra, izay mila miady ho an’ny Malagasy tokoa fa tsy hanaiky hosoavalian’ny vahiny avy any ivelany hatrany. Tsy midika ho fisintahana amin’ny iraisam-pirenena fa kosa mila mametraka ny hambompom-pirenena sy hitarika ny vahoaka Malagasy hiray hina. Nampitolagaga, ohatra, ny fahaiza-manaon’i Paul Kagame, izay nampihavana ny vahoakany nifamono tany Rwanda, ary anisan’ny firenena mandroso indrindra aty Afrika izy amin’izao.  Vitan’ny hafa ve tsy ho vitantsika, fa toa ny finiavana mihitsy no tsy misy, ary manaiky hampiadiana lava eto noho ny tombontsoa tsy dia manao ahoana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT