Edito

Diso ampitoniana


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Diso ampitoniana tokoa, raha izay angamba no azo ilazana azy, ireo manam-pahefana sy sehatra politika sasantsasany eto amin’ny firenena, indrindra, ny filohan’ny antenimieram-pirenena manoloana ny olana anatiny ao

anatin’ny rafitra tantanan’ity farany. Nitohivakana izy tato ho ato ary na ny filohan’ny sendikan’ireo mpitsara aza velom-panontaniana sy lasa saina hoe ry zareo ao amin’ny antenimiera no misy olana dia ny vahoaka no asaina hitony? Ny fivoahana politika tsy mandeha amin’izay laoniny sy fitantanan-draharaha tsy lojika intsony eto amin’ny firenena ity ve tokony hampitroatra sa tokony hampitony? Taiza teto ambonin’ny tany no nisy izany hoe fitsipaham-pitokisan’ny maro an’isa anaty antenimieram-pirenena nefa dia sahin’ilay filoham-pirenena sy ny governemanta fotsiny amin’ny voambolana hoe “fanakorontanana” dia mitsahatra hatreo? Tokony hampitony vahoaka ve ny firentirentin’ireny vola raisin’ny solombavambahoaka izay fara-faha keliny avo 100 heny amin’ny raisin’ny sarambabem-bahoaka ireny? Na inona na inona anefa lazaina dia efa an-taona maro izao no tsikaritra fa honenana olompirenena malain-kitroatra tanteraka na hoe “paralysé” ity firenena ity raha fandraisana andraikitra amin’ny maha olompirenena no resahana. Tsy mientana na koa hoe “insensible” manoloana ny raharaham-pirenena ihany koa. Tsy miraharaha intsony na fampitoniana na fampitrorana no miainga eo fa dia samy mandeha samy mitady eny, hoy ny fomba fiteny izay, manoloana ity vidim-piainana maha valalanina azy ity. Asa anefa! Pitik’afo kely dia kely hono tsinona, hoy ireo fiarahamonim-pirenena nanao fanambarana iray omaly izay dia mety handrehitra ala iray manontolo. Aza misy anie izany !
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT