Edito

Diso adversera !


  • Alarobia 21 Aogositra 2019

Vita ny fanoloran’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta ny programa ankapoben’ny fanjakana na ny PGE, tamin’ny antenimieram-pirenena sy ny antenimierandoholona.

Azo ambara ho tsara rafitra sy tsara rindra, raha ny an-taratasy ary tsy azo lavina fa nisy ny ezaka lehibe sy finiavana na misy aza ny mety ho lesoka, indrindra ny famaritana ny laharam-pahamehana. Zava-dehibe na izany aza ny fanomezan-toky nataon’ny praiminisitra fa tsy hanala baraka ny tenany izy, fa izay voasoratra dia hotanterahina avokoa. Manana iraka lehibe ny fahefana mpanatanteraka miainga any amin’ny filoha, dia ny fanatanterahana ireo voasoratra ao anatin’ny PGE fa sao ho toy ilay nambara tamin’ny taona 2010 fa efa any anaty sambo ny Tramway indray, kanefa 10 taona aty aoriana tsy mbola tonga fa rendrika angamba. Ilay IEM rahateo na ny anarany aza toa efa niova tahaka ilay anaran’ny antoko na vondron’antoko. Nambara tany amin’ny fananganana ny governemanta ankehitriny, taorian’ny fianianan’ny filoha 7 volana lasa izay mantsy fa hisy ny tombana isaky ny enim-bolana, saingy tsy fantatra mazava taty aoriana hoe: inona no vita ? Ny tena hita ho mandeha be sy mahasomokotra hatreto rahateo dia toy ny fanenjehana ny mpanohitra na fisakanana olona iray tsy hahazo ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra. Ho avy ny olobe ara-panahy iray, dia mety ho any indray aloha no hanarinariana dia ny rehetra, toy ny tamin’ny fahombiazan’ny Barea. Mbola ketrika iray hafa ihany koa ny kajikajy amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ahazoana ny maro an’isa. Ny resaka ady amin’ny fahantrana sy ny programan’asa kosa mbola mijanona ho antontan-kevitra anaty taratasy hatreto. Sao diso adversera na koa minia manangan’ady, dia avy eo hilaza fa nelingelenina sy nofinganin’ny hafa ka mila 5 taona manaraka indray tena hiasana e ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT