Edito

Diovy ny kajy !


  • Alarobia 20 Septambra 2017

Hatramin’izao rehefa miresaka politika eto Madagasikara dia zary lasa loto hatrany no ao an-tsain’ny maro.

Politika maloto rahateo moa ilay teny miverimberina matetika sy naharitra an-taonany maro. Mandeha indray koa ny kajikajy maloto amin’ny fampihodinana ny fiasan’ilay filankevitry ny fampihavanam-pirenena vaovao. Efa malaza be ary tsy mety hino hoe kajy madio mihitsy moa ny olona mikasika ilay fikasana hikitika ny lalàmpanorenana satria dia tonga amin’ilay fomba fitenin’ny tanora hoe vakiana fotsiny ny raharaha. Nahoana tokoa moa no tsy voadinika hatramin’izay ireo lazaina ho andininy sy andalana mifanipatsipaka maro ? Amin’izay hamaroany izay, maninona no andininy tokana no tena voizina fa mila hahitsy ? Toa karazana arina an-tava vinaniany fotsiny ny mody hanononana ny an-dalana sasany voalaza ho manome anjara toerana ny eny ifotony fa raha tena tiana tokoa ny nanome anjara toerana ny eny ifotony, maninona dia notezaina tamina fivelomana mandalo hatrany, toy ny asa tanamaro ny ankamaroan’izy ireo ? Maninona no mbola feno mitaraina ho lasan’ny vahiny ny taniny ? Mahatsiaro ho manana anjara toerana ve ny eny ifotony dia ho tezitra ka tsy ho sasatry ny manao fitsaram-bahoaka lava tahaka izay nanao tohivakana teo aloha teo ? Vahaolana vinaninany mety azo aroso ihany angamba ny hoe diovy ny kajy !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT