Edito

Dinika santatra


  • Alarobia 28 Jolay 2010


Anio no hanomboka ny dinika santatra amin’ireo distrika 119 manerana ny nosy. Haharitra telo andro moa izy ity. Fanangonan-kevitra avy amin’ny olom-pirenena, ireo sokajiana ho raiamandreny to teny any amin’ny faritra misy azy, fikambanana, fiarahamonim-pirenena antoko politika no atao ao anatin’izany Dinika Santatra izany. Misy efatra ireo lohahevtra ifantohana manokana dia mikasika ny famotsoran-keloka sy ny fampihavanam-pirenena, ny fepetra hitondrana ny tetezamita, ny lalàmpanorenana, ary ny toekarena. Efa herinandro mialoha izao fanombohany izao no niparitaka manerana ny nosy ireo Raiamandreny Mijoro sy ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena tompon’antoka amin’ny fanatanterahana ny Dinika Santatra.

Voalaza fa manana ny solontenany any amin’ny distrika rehetra ireto mpikarakara ireto ary efa mipetrapetraka avokoa ny fiomanana rehetra. Nanamafy moa ny mpikarakara fa maro ny olona liana sy marisika amin’ity Dinika Santatra ity, ary efa maro be tahaka izany koa ireo nisoratra anarana. Tsy dia toy izany loatra anefa ny hevitr’ireo antoko sy vondrona politika maro izay, azo ambara fa manana ny toerany lehibe tokoa eo amin’ny fiainan’ny firenena. Ny ankolafy Ravalomanana, ohatra, dia nangataka ny hanemorana amin’ny fotoana manaraka ity Dinika Santatra ity mba hahamatotra tsara azy. Ny ankolafy Ratsiraka indray dia tsy mahatoky tanteraka ny mpikarakara ary milaza ny tsy handefa solontena. Tsy mifanalavitra amin’izay ihany koa ny hevitry ny ankolafy Zafy Albert, izay efa nilaza fa tsy dia misy vokatra tsara, azo antenaina amin’izao Dinika Santatra sy ny fanelanelanan’ny Raiamandreny Mijoro miaraka amin’ny fiarahamonim-pirenena izao.

Ny HPM, na Hery Politika Mitambatra dia tsy mankasitraka ihany koa ny firotorotoana hikarakara izany. Tsy hihemotra intsony anefa ny fitondrana tetezamita fa dia mino sy matoky fa manomboka amin’izay ny dinika tena hikaroham-bahaolana amin’ny krizy ka tokony ho avy ny hery velona rehetra hitondra ny anjara birikiny, ary tompon’andraikitra amin’ny ataony ny tsirairay avy, indrindra fa ireo tsy mety mandray anjara amin’ity Dinika Santatra ity. Ny sehatra iraisam-pirenena moa dia tsy mbola fantatra mazava tsara ny tena heviny, fa ny matetika fandre fotsiny dia ny hoe manohana ny fikaroham-bahaolan’ny samy Malagasy amin’ny fametrahana tetezamita iombonana sy iaraha-mitantana izy ireo. Tsy nisy kosa anefa hatramin’izao aloha, firenena na fikambanan iraisam-pirenena nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa manohana ny fanatanterahana ny Dinika Santatra.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT