Vita iny ny fandinihana sy fandanian'ny Parlemanta ny lalànan’ny famotsoran-keloka.
Tahaka ny fanapahan-kevitra rehetra noraisina tato anatin'ny tetezamita moa dia niteraka resabe izy iny. Samy manana ny fandraisany azy ny tsirairay, arakaraka ny ankolafy politika misy azy. Tsy tena mbola milamina, araka izany, ny toe-draharaha satria tsy mbola tafapetraka eto ilay fitoniana politika. Hisy amin'ity herinandro ity ny fivorian'ny SADC handinihana ny raharaha eto Madagasikara. Nametraka fitarainana sy fangataham-panazavana moa ny ankolafy Ravalomanana, izay milaza fa tsy ara-dalàna sy nahitana endrika fanilihana ny nandaniana iny lalànan’ny famotsoran-keloka iny. Ny ankolafy Zafy Albert ihany koa dia, toa tsy mankasitraka azy iny. Ka asa indray izay hambaran-dry Marius Fransman sy ny ekipany. Somary sarotsarotra ihany anefa ny hino fa haverina ny fandinihana sy fandaniana ny famotsoran-keloka, fa efa iny aloha no vita, dia izay no izy. Mety hisy indray angamba ny karazana "note explicative" havoakan’ ny SADC ho fanazavana ny fampiharana ny amnistia, kanefa dia mahamenatra ihany ny tranga tahaka izany.
Toa tsy maintsy ny avy any ivelany foana no handamina antsika Malagasy, fa isika samy isika dia tsy mba mahay mifanaraka mihitsy, fa dia tsy maintsy mifamitaka sy mifamingana foana. Etsy ankilan'izay, raha ny fandinihana an’i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy, dia efa ny fanatanterahana ny dingana hafa no ao an-tsain'izy ireo, dia ny fiatrehana ny fifidianana. Ka asa izay ho fihetsik'ireo vondrona politika hafa, tahaka ny ankolafy Ravalomanana izay mbola manokatra adihevitra amin'ny fandaniana ny famotsoran-keloka. Ny ankolafy Zafy moa dia tsy miova amin'ny nahafantarana azy fa dia mpanohitra mahery fiteny, toa sady ao no tsy ao anatin'ny tetezamita. Ampamoaka amin'ny resaka boaderozy no tena manavanana ity ankolafy ity.
Ny ankolafy Ratsiraka moa dia mangingina, tsy andrenesam-peo firy, tahaka ny mitazana baolina. Ry zareo rahateo tsy nanasonia ny tondrozotra. Dia ho hita eo indray izay hevitry ny SADC, tsy maintsy hisy ny fanampim-baovao momba ity resaka famotsoran-keloka ity. Ato anatin'ny andro vitsy, dia tsy maintsy hisy ihany koa ny tsy ho faly. Rahoviana ihany vao tena hilamina ny fomba fiasa anatin'ny tetezamita ? Raha tsy mety ny fiaraha-mitantana dia ahoana moa no hahavitana fifidianana madio sy mangarahara ? Miandry ny rehetra hoe hiroso amin'ny dingana manaraka ve, sa mbola hiverin-dalana kely indray aloha ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.