Raha tsy misy ny fiovana goavana amin’ny ora farany dia hanomboka anio any Gaborone misy ny foiben’ny SADC ny fihaonan’ireo ankolafy sy vondrona politika 11 voaasa handray anjara amin’ny famahana ny krizy eto amintsika.
Nosokajiana ho fihaonana fiala-nenina izy ity, taorian’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny SADC ny 20 mey teo. Efa nivonona tsara amin’ity fihaonana ity na ny FAT sy mpomba azy na ny ankolafy telo sy ny mpanara-dia azy, fomba fiady ihany moa ilay hoe tsy handeha izahay raha tsy izao na izao … fa raha ny tena marina dia dinika tsy maintsy handraisan’ny rehetra anjara ity any Gaborone ity ary mandritra izany no hamoaka ny fahaizany miady hevitra sy manohana hatramin’ny farany ny foto-kevitra ijoroany ny tsirairay avy. Fa ny fanontaniana tsy afaka am-bavan’ny maro izao, indrindra fa ny olom-pirenena tsotra efa manomboka tofoky ny sangodim-panina politika dia ny hoe : inona marina ny voka-tsoa azo tsapain-taana hivoaka avy amin’ity fihaonana any Gaborone ity ? Efa hatramin’ny 20 mey mantsy no nambara fa fivoriana fiala-nenina, saingy izao mbola mitohy izao ihany ny dinika.
Azo eritreretina ve fa hisy marimaritra iraisana ary eken’ny ankolafy politika rehetra hivoaka aorian’ny roa na telo andro nivoriana, ary hitsanana amin’izay ary ve ny tetezamita iaraha-mitantana tena izy ? Izay raha fintinina no andrasan’ny Malagasy amin’izao fihaonan’ny ankolafy izao satria efa tena mafy loatra ny niainana izay roa taona sy telo volana nisian’ny krizy izay ary samy mahafantatra ny rehetra fa raha izao no mitohy dia ho raikitra ihany ny savorovoro eto satria mitombo isan’andro ny tsy an’asa sy ny olona noana. Efa ho telo volana no nisian’ny dinika isan-karazany teo amin’ny Dr Leonardo Simao sy ireo vondrona politika teto an-toerana vao voarafitra ilay sori-dalana mbola mampifanolana hatramin’izao, ka hisy ary ve ny fahagagana any Gaborone ka hahavita hampangiana ny hambom-pony sy hahay hifandefitra ireo mpanao politika ka hamoaka sori-dalana matotra ao anatin’ny roa andro any Gaborone ? Mety ho henjakenjana ihany ny hahatongavana amin’izany kanefa manam-pinoana hatrany ny maro fa efa tonga saina ary nahazo lesona tsara ny mpanao politika Malagasy ka hahay hitsinjo ny vahoaka fa tsy hiaro fotsiny ny tombontsoan’ny antony sy ny lehibeny.
Lainga ny filazana fa sonia sisa no atao any Gaborone fa tena mbola adihevitra no hitranga any saingy tsy misy mbola mahafantatra ny paikadin’ny SADC amin’ny mety ho endrik’izany fihaonana sy fifampidinihana izany aloha hatreto. Tonga ve dia fivoriambe handraisan’ny rehetra anjara no mitranga sa hisy ny fivoriana mitsitokotoko na fampihaonana lehiben’ankolafy mitokana, na fizarana ho vaomiera ? Fa ireo mahafantatra tsara ny toe-draharaha misy eto Madagasikara aloha dia efa mahita fa tsy mbola hifarana amin’ity fihaonana any Gaborone ity ny famahana ny krizy satria dingana lehibe tokoa io saingy tsy tena hivoahan’ny vahaolana tena izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.