Edito

Dingana lehibe


  • Talata 16 Desambra 2014

Mba mihaino ihany ny hetahetan’ny olona te hahita filaminana sy fitoniana mialoha ny fety ny filoham-pirenena matoa nandeha nihaona tamin’i Marc Ravalomanana tany Nosy Be. Efa fihetsika mendrika ny tena fampihavanana izany

hoy ny mpanara-baovao politika. Ny antenaina fotsiny dia hisy vokany tsara sy azo tsapain-tanana ho an’ny firenena ilay fihaonana fa tsy mijanonana ho resadresaka fotsiny. Tena voaporofo izao fa fanapahan-kevitra politika no hihazonana an’i Marc Ravalomanana any Antsiranana, ary ny filohan’ny repoblika irery ihany no manana ny fanapahan-kevitra farany momba izany. Mahatsapa tsara mihitsy i Hery Rajaonarimampianina fa mandalo fahasahiranana ny fitantanany ny firenena, tsy mety aminy mampitombo ireo fahavalo politikany satria hampihisitra ny fanatanterahana ny fandaharanasa ankapoben’ny fitondrany izany. Fantatra tsara koa anefa fa efa tena rava tanteraka ny fihavanana eo aminy sy Andry Rajoelina ka tsy azony itokisana ny vondrona politika Mapar. Ireo mihitsy aza no mety manana eritreritra hanongana azy. Mazava ny tanjona ho an’ny ankolafy Ravalomanana fa dia ny famotsorana an’i Dada sy ny fikaroham-bahaolana hanavotana ny firenena, koa raha mety amin’ingahy filoha ireo dia efa dingana lehibe amin’ny fampihavanana aloha izay, ho avy manaraka eo ny sisa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT