Dingana faharoa

Hiditra amin’ny dingana faharoa eo amin’ny


  • Talata 28 Mey 2024

antsoina hoe vanim-potoam-pifidianana moa isika izao.

Azo ambara ho efa ao anatin’izany aza ny anio satria ity anio ity izany ilay antsoina hoe «silence électorale» na fampanginana hatreo amin’izay ireo fomba nahazatra sy nanara-dalàna tao anaty fampielezankevitra toy ny fisarihana ny olona hifidy an’i Rakoto na Rasoa sy ny famoriam-bahoaka isan-karazany miaraka amin’ny «Tam tam» marolafy. Efa vita tamin’ny dingana voalohany na hoe nialohan’ny fifidianana izany rehetra izany. Hiatrika ny dingana faharoa indray izany isika io na ilay hoe mandritry ny fifidianana. Efa niaraha-naheno tamin’ireo kandida isan-toko rahateo moa ny toromarika isan-karazany mikasika ny atao hoe fiarovana ny safidy. Isan’izany ny hoe tsy miala ao amin’io birao fandatsaham-bato io raha tsy vita ny fanisam-bato. Araha-maso tsara ny fandraketana an-tsoratra ny zava-mitranga rehetra. Mangarahara tokoa ve ny vata fandatsaham-bato? Maro dia maro no toromarika sy fanentanana isan-karazany tao anatin’izay 20 andro mahery kely izay sy ny talohan’izay ihany koa fa dia tonga amin’izay izany ity aloha ny fotoana hiatrehana ilay antsoina hoe fifidianana ka dia samy hanana ny safidiny eo ny olompirenena tsirairay. Dingana faharoa io fa iankinan’ny ho tohin’ny tantaram-pirenena ihany koa ary eo no ipetrahan’ny fanontaniana marobe hatrany toy ny efa nisy hatramin’izay hoe hanao ahoana indray izany izao ny ho fandehany sy ho tohin’izy ity? Mba hilamina amin’izay ve sa sanatria mbola hisy indray ny atao hoe korontana aorian’ny fifidianana rehefa tonga ilay dingana fahatelo antsoina hoe aorian’ny fifidianana izay? Raha ny ambiansy nandritr’izay fampielezan-kevitra izay, na nialohan’ny fotoana na ara-potoana aloha, dia mampanahy be ihany satria dia na ny avy amin’ny fanoherana na ireo heverina hoe kandidam-panjakana dia nahenoana fitarainana avokoa fa misy ny tsy milamina amin’ity fifidianana ity. Nisy ny nihetraketraka. Nisy ny nikononkonona hoso-pifidianana. Nisy ny tsy nanaja lalàna. Na ireo trangam-pahoriana sasany aza moa dia misy manahy fa misy idiran’izao zava-misy anaty tontolom-pifidianana izao ihany koa. Ny CENI mihitsy izao omaly no nanamarina fa nisy nametraka peta-drindrina nanentana hifidy kandida tamina sekolim-panjakana iray. Izany rehetra izany moa izany dia manamafy hatrany rahateo ny voalazan’ireo hery politika maro hoe mbola tsy madio ny tokontany saingy efa notanterahina moa izy ity. Enga anie mba hilamina ny dingana faharoa ary ny dingana fahatelo ho toy izany ihany koa!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT