Edito

Difotry ny zava-misy, be balarora


  • Alakamisy 25 Novambra 2021

Difotry ny zava-misy tanteraka ny fitondrana, tsy tena mahita izay horaisina eo anatrehan’ny olana sesilany miseho eto amin’ny firenena. Ny eo tsy tena mivaha, ny eo misosoka ihany.


 Sanatrian’ny vava toa lasa firenena ambinin-doza izany ny firenentsika ka ao ny mety loza toy ny loza rehetra, fa misy ny tena iniana atao sy foronana. Afo etsy, loza eroa, raharaha mafana atsy, fitakiana etsy,… izay izao no misongadina. Ny toe-draharaha ara-tsosialy sy ara-politika moa miha mangotraka hatrany. Zary lasa mamafy fampanantenana hatrany no asan’ny Fitondrana. Atao mipoapoaka ny serasera amin’ny filazana fa nakarina ny tetibola momba ny sosialy sy ny resaka fotodrafitrasa ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2022. Tena tia manonona sora-bola amina miliara, mba hoenti-milalao saim-bahoaka. Ny sehatra tsy miankina anefa ary ambadika mimenomenona sy mandrahona hangoron’entana ka maro no mety ho very asa toy ny tamin’ny krizin’ny fanonganam-panjakana 2009. Ny vidin’entana sasany mety hidangana noho ny fepetra raisin’ny Fanjakana,… Tsy vao izao no nisy resa-bola momba ny sosialy sy fotodrafitrasa izany. An-jatony tapitrisa euros maro ny vola voafaritra haompana tamin’ny lafiny sosialy tamin’ireo volabe nomen’ny mpamatsy vola momba ny covid-19, saingy mba firy isan-jaton’ny Malagasy marina no nisitraka? Raha hiresaka ny vatsy tsinjo e! tosika fameno e!,… dia ny teo am-pototry ny vilany ihany no mahazo ny ampahany vitsy. Ohatra iray mivaingana ny hoe: ny Faritra Analamanga izany misy distrika maromaro fa tsy eto an-drenivohitra sy ireo manodidina ihany, fa tsy misy miraharaha izany Manjakandriana, Andramasina, Anjozorobe,… Toy izany ihany koa ny tany amin’ny faritra hafa, ny sary sy ny serasera no atao mipoapoaka. Ny tamin’ity taona iy, efa noresahina teto ny hoe : afaka telo andro hivaha ny olan’ny fidinan’ny vidim-piainana, fa efa telo volana izao tsy hita ihany. Asa mba aiza ihany koa ireo sambo 20 mitondra entana ilaina andavanandro na PPN sa nanao sambo nilentika ara-bakiteny? Tsy izao ihany koa no nitanisana fotodrafitrasa maro samihafa, fa efa nireharehana anie izany “Plan Marshall” 1043 miliara Ar izany e! Nofaritana izao rehetra izao, saingy ireny ihany avy eo no mbola hanaovana fampanantenana aty aoriana tsy vita araka ny nampanantenaina. Heverin’ny mpitondra hatrany fa tsy maharaka na inona na inona momba ny raharaham-pirenena ny Malagasy satria difotry ny fahantrana ka tsy mahatadidy ny toky fitaka sy ronono an-tavy sy ny balalarora maro samihafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT