Edito

Difotry ny fahefana


  • Talata 27 Martsa 2012

Nanome toky ireo mpanara-dia azy, telo taona lasa izay, i Andry Rajoelina fa hatao mangarahara ny fitantanana ny volam-panjakana.

 Tsy hisy intsony izany hoe mpitondra miha manankarena tampoka izany, na mpandraharaha mahazo tombony be mihoatra noho ny mandraharaha sasany. Dia asa marina aloha izay tena fomba fahitany ny zava-misy amin’izao fotoana, fa raha ny olon-tsotra aloha no anontaniana, dia samy kivy avokoa manoloana ny fanapotehana ity firenena ity. Angamba ireo olona tena nisotro ny aleoko maty, hanara-dia an’i Andry Rajoelina sisa, no mbola milaza ihany fa mety ny zava-misy eto fa raha ny Malagasy amin’ny ankapobeny dia samy mahatsapa fa tsy izao zava-misy iainana izao mihitsy, ilay nampanantenaina fa hoe fanovana. Maro be ireo olon’ny fitondrana FAT niha natavy sy be hatoka ary nanamboatra trano etsy sy eroa, misy ny tonga dia namaritra tany an-jatony hektara, ao no lasa mpandraharaha tampoka izany.

Misy ny tsy hita miasa akory, kanefa dia toa mitombo harena isan’andro. Ary ny tena manahirana ao anatin’izany rehetra izany dia toa tsy tena sahy manapa-kevitra ka manavaka ny vary amin’ny tsiparifary i Andry Rajoelina fa manampahefana efa hita fa tsy mahavita azy sy miala andraikitra lava izao, dia mbola voatazona soa aman-tsara eo amin’ny toerany ihany. Araka ny re moa dia misy amin’ireo minisitra mihitsy no sahy miteny fa raha esorina, hono izy, dia tsy maintsy miala ihany koa i Andry Rajoelina. Ka asa na mety ho noho izay no nahatonga an’ity farany nilaza, ny faran’ny herinandro teo fa tena misy mihitsy ny finiavana tsy hanatanteraka ny baiko ao anatin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Loza ary tena mampatahotra ny zavatra tahaka izany, satria raha mitatra ny tetezamita dia mety hitombo koa iny tsy fanatanterahana baiko. Dia samy ho sefon’ny tenany daholo angamba no hiafarany eto, ka hisavoritaka isika mianakavy. Ao anaty fitondrana tetezamita isika, olom-boatendry no maro an’isa amin’ny fitantanana ny fanjakana, ka mety misy no tsy maharesy lahatra tsotra izao ny olona. Aleo tsorina fa tena misy manampahefana tsy ampy fahalalana sy fahaizana anatin’izao tetezamita izao, ka mety tsy mahalala akory ny tokony hataony. Tsy mahagaga raha tsy to teny amin’ny olona eo ambany fahefany izy ireny. Koa raha izany no izy dia tsy manampahefana izany no misy eto fa difotry ny fahefana e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT