Edito

Difotra tanteraka


  • Talata 01 Martsa 2022

Manomboka mitsioka eto amin’ny tanintsika ny rivotra politika iraisam-pirenena eo anatrehan’ny ady manahirana ireo firenen-dehibe.

 Mandeha ny fifandresen-dahatra goavana ara-politika sy ara-jeopolitika, ary ahatarafana io, fa tena ilaina ihany kay ny vato sy ny fomba fijerin’i Madagasikara, raha tarafina amin’ny firodorodon’ireo diplaomaty avy amin’ny andaniny sy ny ankilany samy mivoy sy manazava ny heviny. Hitodika aiza ny mason’i Madagasikara? Hipetraka am-pahendrena tsy hiandany amin’ny atsy na ny aro asa hianan-kendry hisafidy ny iray amin’ireo? Sarotra ny fandehan-javatra satria ambony ny tsindry avy amin’ny Tandrefana toa manery an’i Madagasikara homba sy hanaraka ny teniny raha tsy te ho very fihinanana. Etsy ankilany, efa nisoko miadana ihany koa anefa ny politikan’ny Rosianina teto, ary tsy vitsy ireo politisianina nifandray sy nifanaraka taminy, raha tsy hilaza afa-tsy ny tamin’ireny fifidianana Filoham-pirenena farany ireny. Ady any ivelany ity miseho ity, saingy manomboka koditra izao tontolo izao, raha sanatria ka tsy voalamin’ny fifampidinihana izay natomboka omaly, saingy mbola baraingo ny ho tohiny. Efa miantraika amin’ny vidim-piainana, miakatra ny vidin’ny solika maneran-tany ka asa mba maharitra firy volana ny tahirintsika? Miakatra ny vidin’ny angovo, na io menaka io anie ka i Ukraine no mitana ny laharana voalohany amin’ny famokarana,… Efa miomana amin’izany rehtra izany ve ilay Fanjakana eto Madagasikara sa mbola variana mampalaza tena mizara fanampiana sy mampiely fanantenana eraky ny tanàna? Toa tsy misy raharaham-pirenena mandeha amin’izay laoniny intsony mantsy fa difotra tanteraka ny Fanjakana, tena tototra sy songonan’ny zava-misy. Sanatria toa mitady izay fomba hanariana dia etsy sy eroa. Izay tena raharaham-panjakana sy raharaham-pampandrosoana tsy hita intsony, fa sasatry ny mandamina sy mamono afo. Toa tsy mahalala izay tokony hatao intsony, zara raha miodina ny firenena, ny Filoha lasa mpizara fanampiana sisa asany. Aiza moa no tsy hanao ny ataony mangina ao ireo be afera ao anaty Fanjakana. Taiza no mbola nisy toerana minisitra enim-bolana izany tsy voasolo? Ny resaka diplaomasia moa io telo taona azo isaina amin’ny rantsan-tànana ny ambasadaoro voatendry, ny programa sy vina hoenti-mitondra vaky raoka 3 taona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT