Edito

Difotra


  • Alakamisy 22 Febroary 2018

Andro aman’alina ny fiainan-dRamalagasy ankehitriny dia tsy mahalala na inona na inona intsony afa-tsy ny fitadiavana izay mba remby kely ahafahany mitazona ny ain’ireo nateraky ny kibony.

  Hita ho miha very isan’andro ny fahafaha-miala voly sy manaraka ny raharaham-pirenena. Ny hifantoka amin-javatra hikolo ny sainy izany moa dia efa azo lazaina mihitsy hoe naman’ny veloma lava. Mihena ny fampiasana ny teny malagasy. Vaovao efa novoizina tamin’ireo haino aman-jery efa ho herinandro mahery mbola mahataitra ireo voakasika mivantana ihany rehefa tonga ny fampiharana azy. Naninona raha mba nialoha ny fotoana dia efa nihetsika raha tsy mankasitraka ny zava-nitranga ? Tokony hifanome tsiny tokoa ve anefa raha toa ka efa difotry ny zava-misy loatra ny olom-pirenena ankehitriny vokatry ny fampahantrana azy nanao tohivakana ? Mbola mitohy mandrak’ankehitriny ny fomba firesak’ireo manampahefana aminy izay mandray azy ho toy ny zazakely. Ny mahagaga dia toy ny efa notsindromina betsimihetsika mihitsy isika mianakavy ka na efa an-dalan’ny ho ampisotroana ny tsy fisotro sy hampinanina ny tsy fihinana aza ity dia tsy manan-katao afa-tsy ny mimenomenona mandritry ny fotoana vitsy saingy manaiky ny tsy rariny ihany avy eo. Tsy maintsy mbola hiakatra ihany, hono, ny vidin-tsolika. Ny jiro sy rano moa io efa mampikolay io. Ny sasany mitaraina ho niakatra 50%, ny sasany 100%, 200%, tsy hay intsony na efa mihoatra lavitra aza ny sasany. Ny tetiandrom-pifidianana tsy mety mivoaka kanefa izay manampahefana hanontaniana rehetra dia milaza amin’ny herinandro lava izao. Tsy efa ho herinandro 100 ve izay ? Difotra tanteraka ka tsy mahita afa-tsy ny am-potomoty sisa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT