Miakatra hatrany ny daozin’ny hetraketraky ny fanjakana kanosa sy tsy misy atokona.
Mahery amin’ny tsy misy antony fa malemy eo anatrehan’ny fandraisan’andraikitra, hany ka halam-bahoaka. Raha kolikoly, filibana, filam-boatsiary, indrindra ny hetraketraka politika, dia azony tsy misy fepetra ny amboara. Mitohy sy efa tena tafahoatra ny gafy sy ny hetraketraka atao amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara sy i Marc Ravalomanana, ka na aiza na aiza alehan’ity farany, dia ahitana hevitra hamelezana sy hilam-baniny hatrany. Fa inona no tian’ity fanjakana jadona ity hatao fa toa tsy manan-draharaha afa tsy ny hila vaniny sy hila voatsiary lava eto ? Tsy mahomby ny fanaratsiana mirarakopana, ny fanambazana vahoaka amin’ny fanomezana tsy mitondra mankaiza, ka aleo any amin’ny fisotasotana sisa manangam-bovona. Raha tena mahazaka sy te hitsapa ny heriny ny fanjakana Rajaonarimampianina, dia miandry fifidianana sy mamela ny rehetra hilatsaka, dia ho hita eo ny matanjaka sy mahery sy tena tohanan’ny vahoaka. Tsy an-dRajaonarimampianina sy Mahafaly Solonandrasana Olivier miampy ireo mpiara-dia aminy akory i Madagasikara, ka didin’ny be sandry lava no hatao eto. Tsy sanatria faharesena ho an’ny hafa ny milefitra. Miezaka mangina aloha manoloana ny don-tandroka sy ny ramatahora. Tsy maneho ny tena heriny aza ny an-daniny, efa toran-kovitra ny fitondrana, mainka fa rehefa tonga tokoa ny tokoa !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.