Edito

Didin’ny be sandry !


  • Alakamisy 23 Martsa 2017

Tsy zakan’ny fitondrana ankehitriny ve ilay fahefana eo am-pelatanany, ka zary fandikan-dalŕna sy fanaovana didin’ny be sandry sisa no hampiasana azy ?


 Efa tena fanjakan’i Baroa mihitsy no ampiharin’ny HVM, indrindra fa eto an-drenivohitra. Noho ny hakanosana sy ny tahotra fifidianana avokoa no mahatonga izany satria mamim-bahoaka ary hita fa tsy ho resin’ny HVM mihitsy ny antoko mitana ny lohany amin’ny fitantanana an’Antananarivo, ka hanaovana antsojay sy ezahina salovanina, ary takonana tanteraka. Aiza ve ka kolonely milanja basy no tonga manao toetrana milisy manafika toby fanagiazana fiara tsy manara-dalàna sy mamoaka ilay fiara tsy nanara-dalàna. Miaramila iray kamio no tonga manafika lapan’ny tanàna miaro ny vadin’ny namany nandika lalàna. Nesorina ny sary famantarana ny kaominina Antananarivo amin’ny taratasim-panjakana izay efa nisy hatramin’ny naha tany ny tany. Izao indray dia ny filoham-pirenena mihitsy no mijoro sy nitokana ny fotodrafitrasa tsy ara-dalàna eto amin’ny kaomininana Antananarivo amin’ny fotoana tsy maha eto an-toerana ny ben’ny tanàna. Dia tena diso adversera mihitsy fa tsy vao izao anie ny filohan’ny Tiako I Madagasikara sy ny ben’ny tanàna no namiratra fa efa hatry ny ela e ! Ny be fialonana sy ny kanosa ihany no mahita fomba hanaratsiana fa ny vahoaka kosa efa sasa-miandry ny 2018 hampandaniany ny olona hitany fa mahavita azy e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT