Edito

Dia voafitaka indray Ramalagasy !


  • Talata 06 Jolay 2010


Diavolan-ko lava ny lalao mbola ho ela. Aza misioka raha tsy mbola tafavoaka ny ala. Raha ireo ohabolana roa ireo no dinihana dia tsy tokony hifety na hihirahira na hisioka kely akory aza ny FAT satria tsy mety tafavoaka ny ala matevin’ny fahasahiranana i Madagasikara ary toa vao mainka aza miha mahantra ny olona. Tsaroana etoana ny fampanantenana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, nisintonana ny olona ka nilazana fa azo atao ny mampidina ny vidin’ny litatry ny lasantsy hatrany amin’ny 1500. Efa ho roa taona latsaka anefa izao i Andry Rajoelina no teo amin’ny fitondrana fa toa niha lafo fa tsy niha mora mihitsy ny lasantsy, ary vao tamin’ny faran’ny herinandro teo no niakatra indray ny vidiny. Rehefa dinihana sy fakafakaina lalina ny zava-misy rehetra dia tsy nisy mihitsy ny fihatsarana, fa dia fahasahiranana no vokatra etsy sy eroa. Tsy manam-bola ny fanjakana, tsy afaka mamoaka vola ny ministera, baraingo saika isam-bolana ny fandoavana ny karaman’ny fonksionera. Mifanesisesy mikatona ireo orinasa tsy miankina, mirongatra ny asan-jiolahy, efa sahy mamaky sy mandoro fiangonana ireo jiolahy. Ny fandripahana ny harena voajanahary toy ny hazo sarobidy sy ny volamena ary ny vatosoa amin’izany miroborobo fatratra ; ary mazàna dia anaran’olona ambony no voatonontonona amin’ireny afera maizina eto amin’ny firenena ireny.

Nisy tokoa ny niha nanankarena, saingy tsy ny vahoaka fa ireo notohanana teny an-kianja ary nahazo toerana amin’izao fotoana. Mampalahelo fa dia voafitaka indray, ramalagasy ary voarotsirotsin’ny kabary tsara lahatra sy fampanantenana poakaty. Ny fahitana ny zava-nitranga rehetra tato anatin’ny 15 volana no hahasahiana manambara fa tsy misy azo antenaina amin’izao FAT tarihan’i Andry Rajoelina izao, afa-tsy ny hoe : fialamboly hanafarana artista avy any ivelany angamba ! Fa raha izay hoe fitantanana ny fiainam-pirenena aloha dia tsy tafiditra ao anaty tabilaon-dry zareo. Efa miomankomana ny hampiakatra saran-dalana ato ho ato ireo mpitatitra, ka hitarika fiakaran’ny vidin’entana izany ; ka asa hoe inona indray no vahaolana mety ho aroson’ny milaza azy fa mpitondra amin’izany. Ny vola anefa efa manify dia manify ny eo am-pelatanana ka ho sarotra ny hanao «subvention», raha tsy hoe mahazo fanampiana avy any amin’ny reny malala indray… !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT