Ny mpandinika tantara sy ny tontolo politika dia mahalala tsara fa tsy krizy mitokana fa mitambatra no mitranga eto Madagasikara no sady miverimberina.
Ny anton’izany dia satria tsy matotra tsara hatramin’izay nahazoana ny fahaleovantena izay ny fitantanana ny firenena ary variana tamin’ny ady seza ny tena mpanao politika, hany ka olon-kafa sy olom-baovao noeritreretin’ny vahoaka fa hamonjy azy foana no nitantana ny firenena. Raha ny tokony ho izy anefa dia olona mahalala tsara ny firenena sy nobeazina tamin’ny resaka politika no mitondra firenena fa tsy hoe izay rehetra manana fandaharanasa na manam-bola na manana hambom-pom-pirenena.
Nanomboka tany amin’ny Repoblika voalohany dia efa tsy nahafeno io fepetra io ny filohan’ny Repoblika teto. Mpampianatra ny filoha Tsiranana ary natsangana maimaika ny PSD antokon’ny fitondrana tamin’izany fotoana, dia niaraha-nahalala ny grevy be nitranga tamin’ny 1972 ka nampirodana ny Repoblika voalohany. Natsangana ny fitondrana miaramila, nomena fahefana avy eo ny kolonely Ratsimandrava, herinandro nitondrana ihany dia nisy namono. Niaka-dapa indray Atoa Didier Ratsiraka izay mbola miaramila ihany koa ary filoha nosokajiana fa tena nampihatra ny jadona teto. Maro be ny foto-kevitra tsara naroson’ny amiraly hanasoavana ny firenena saingy tsy nety tafavoaka ny politikam-pampandrosoany satria tsy ampy fototra politika amin’ny fitondrana olona sy firenena ary nifantoka tamin’ny teny midina ka nampiraviravy tanana ny mpiasa tsotra zatra miandry baiko.
Dia nitranga ny savorovoro tamin’ny 1991 ka nanandratra ny Profesora Zafy Albert izay niongana afaka telo taona satria nofitahan’ny mpanao politika nanohana azy ihany. Dia nipoitra tampoka i Marc Ravalomanana ary nomena anarana mihitsy hoe ilay mesia hanavotra ny firenena. Mpandraharaha izy ary orinasa anisan’ny goavana sy moderina indrindra aty Afrika no notantanany nialoha ny nidirany teo amin’ny sehatra politika. Azo ambara fa zanaka an-tranon’ny Banky iraisam-pirenena izy ary anisan’ireo mpandraharaha Malagasy nahazo famatsiam-bola be indrindra.
Niavaka ny fomba fiasany, maro ny zava-baovao vitany saingy tsy tafita hatramin’ny farany izy satria nifandramatra tamin’ny mpanao politika. Dia tonga indray i Andry Rajoelina, mpampandihy fahiny, nisongadina teo amin’ny sehatry ny fandraharahana avy eo, nambara fa mahavita azy ary nanongana ny jadona. Ny zava-misy anefa dia manjaka ny gaboraraka sy ny fandikan-dalàna ary ny fanaparam-pahefana. Dia izay no izy, tavela any aoriana i Madagasikara satria politika hafahafa foana no nitantanana azy ary zatra niandry mpamonjy fa tsy mba nifidy mpitantana mahiratra sy tena manana vina politika ny Malagasy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.