Edito

Dia ho hita eo indray


  • Zoma 12 Oktobra 2012

Niaiky ny jeneraly Richard Ravalomanana omaly fa tena anjakan'ny kolikoly tanteraka ny zandarimariam-pirenena.

 Samy mahatsapa sy mahafantatra izany moa ny rehetra, indrindra fa ny mponina any ambanivohitra raha mijery ny fivoarana haingana dia haingana eo amin'ny fiainan’ny zandary. Ao mantsy ireo zandary manana tanimbary sy tany midadasika, sady mahavita manorina trano be misy rihana, no mbola manana fiara ampiasaina manao taksibrosy. Ao anatin'ny taona vitsy no hitrangan'izany rehetra izany. Raha ny tena karamany anefa no jerena dia mety tsy hahavita izany mihitsy izy. Ny fanazavana dia tsotra : nahazo vola be hafa, ankoatra ny karamany ilay zandary. Maro no mihevitra fa matoa tsy voafehy ny asan-dahalo hatramin'izay, dia satria misy ny zandary miray tsikombakomba azy ireo, ka rehefa omena omby na volabe dia mikipy maso manoloana ny halatra sy vono olona ataon'ny malaso. Tsy nety afaka teo anivon'ny zandarimariam-pirenena mihitsy ny resaka kolikoly na dia manamboninahitra jeneraly avy ao aminy foana aza no Tale jeneralin'ny Bianco hatramin'izay nijoroany. Lehibe sy makadiry, araka izany, ny asa miandry ny jeneraly Richard Ravalomanana izay milaza ny hitondra fanovana, raha toa ka tiana hivoatra sy hanana ny hasiny ary hajain'ny olona ny zandary. Ho zava-poana ny fanomezana fitaovana raitra sy arifomba ny mpitandro ny filaminana, raha toa ka mbola handairan'ny kolikoly amin'ny endriny maro samihafa ka miray petsapetsa amin'ny jiolahy izy ireo. Tsy ny basy sy ny fiara, na helikoptera, ary ny zanabolana no inona, fa ny olona mampiasa azy.

Fahasahiana lehibe ny fanambaran'ny kaomandy ambonin'ny ZP omaly iny, koa miandry ny ho tohiny ny rehetra. Kabary fotsiny ve iny sa mba tena arahana asa mivaingana ? Betsaka ihany mantsy izay kabary ambony vavahady nandritra ny tetezamita izay. Atoa Andry Rajoelina, ohatra, dia efa nanome baiko hentitra tamin'ny 2010 hoe avoahy ho fanta-bahoaka ny anaran'ireo olona manao ny trafikana boaderozy ary ampiharo amin'izy ireo ny lalàna. Anarana telo aman'efatra ihany anefa no nivoaka, fa ireo tena atidoha mahazo aina any ambadimbadika any. Tena mahay miresaka sy milaza azy fa matihanina amin'ny asany ny jeneraly Richard Ravalomanana, no sady nianatra tany amin'ireo sekoly ambony tany ivelany tahaka ny Amerikanina sy ny Eoropeanina, koa miandry azy ny olona ny amin'izay fihetsiny marina manoloana ity kolikoly misavovona ao amin'ny zandarimariam-pirenena araka ny filazany ity. Tsy maintsy atrehana koa anefa ny fitandroana ny fandriampahalemana. Ny kabary samy mahay, fa dia ho hita eo indray ny asa e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT