Edito

Dia hionona izany ?


  • Talata 16 Mey 2017

“Raha vao very tadidy dia mandeha amin’ny lalana tsy izy ary raha vao very tantara dia ho ratsy fiafara”, hoy ny fomba fiteny. “

Ny firenena tsy manana tantara dia firenena tsy misy fanahy”, hoy ny vahiny. Miha valalanina hatrany ianao rehefa mahita fanadihadiana atao amin’ny zaza sy ankizy, eny hatramin’ny tanora rehefa mihazohazo tsy mahita havaly raha vao hametrahana fanontaniana mikasika ny tantaram-pirenena na amin’ny haino aman-jery na amina fihaonana isan-karazany miompana amin’izany. Inona no mahazo antsika amin’izao fotoana ? Hararaotin’ny mpiavy noho ny tsy firaharahiana sy tsy fahalalana firy ny tantaram-pirenena. Hahagaga ve raha lasa mpitandro ny filaminana hatrany no tena rakotra rehefa tonga ny fotoam-pahatsiarovana toy ireny tamin’ny 13 mey ireny. Saika vahiny avokoa no nanoratra ny tantaram-pirenena, hany ka manao telimoka fotsiny sisa ireo zanatsika sy taranaka fa tsy miasa saina ny hamadika ny tantaram-pirenena intsony. Hionona ve izany moa sa hianona ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT