Edito

Dia gaga tokoa ialahy


  • Zoma 20 Novambra 2015

Samy tsy eto an-toerana ireo tompon’andraikitra voalohany sy faharoa eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka.


 Ny faran’ny herinandro teo mantsy no efa nandao an’i Madagasikara ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. Anton-diany any Frantsa ny hanao fitiliana ara-pahasalamana, araka ny vaovao nampitain’ny seraseran’ny Fiadianana ny primatiora. Ny fiandohan’ny herinandro teo kosa no nikopak’elatra any Angletera ny filohan’ny Repoblika sy ny delegasionina miaraka aminy hanatrika ilay antsoina hoe «London Road Show». Avy eo dia mbola hihazo an’i Bruxelles hanasonia ilay fifanarahana famoaham-bola mitentina 518 tapitrisa euros tafiditra ao anatin’ny Tahiry eoropeanina momba ny fampandrosoana na FED andiany faha-11. Hatreto aloha tsy nahenoana akony mihitsy ny dian’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean na ny fanampim-baovao avy amin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery. Efa tsy dia mahagaga loatra aloha izany, hoy ny mpanara-baovao. Ny tena mahavariana kosa anefa tamin’ity indray mitoraka ity dia ny tsy fahaizan’ny roa tonta mifandamina asa amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Fampandehanan-draharaham-panjakana fotsiny mantsy no azon’ny minisi-panjakana tanterahana fa tsy afaka manapa-kevitra velively. Dia gaga tokoa ialahy, araka ny fomba fiteny.

Ramano F.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT