Edito

Dia asa fotsiny re e…


  • Talata 10 Aprily 2018

Ambohimahadizina, io no tananan’ny revy rehetra hoy ilay manakanto iray izay.Mby miverina ao an-tsaina izany rehefa mandinika ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana.


Fanina tanteraka ny valala be mandry, tsy manam-potoana handinihana lalina izany politika avo lenta izany, ny fikarohana izay harapaka anio no tena maha maika aloha.Raha mba manam-potoana kely dia mamaky lohatenin-gazety eny amoron-dalana; mihaino ny fammakafakana amin’iroe onjam-peo maro samihafa ihany koa.Saingy rehefa hariva dia valaky ny fiainana ihany ary tsy manana fanantenana ho amina ho avy tsara rahampitso.Izany ny fiainan’ny Malagasy, tsy hita izay ho sarangotina.Rehefa mba mifampitantara fiainana, olana ny antsasa-manila, adihevitra tsy mety vita ny fikaroham-bahaolana.Ka ireo manampahefana mpanao lalàna tokoa aza moa manondrana, ka aiza no handeha amin’izay laoniny ny fiainana eto.Goragora isan-tsehatra, adalana isam-pokontany, kolikoly efa fanampin-tsakafo isan’andro..ny adala indray no heverina fa tompon’ny fahendrena ary izay miezaka manitsy ny diso no toraham-bato.Mitaraina ny tany, mimenomenona ny olona fa..manohy ny asa manavanana azy hatrany amin’ny fieboeboana manara-penitra ireo manampahefana.Dia asa fotsiny aloha izay hiseho eto amin’ny propagandy sy ny fifidianana e, tsy sanatria maniry ratsy ho an’ny firenena saingy efa mazava ny lalan-kizorana amin’izao endri-pitantanana manondratsondrana izao .

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT