Edito

Dia ahoana ny tohiny ?


  • Alarobia 19 Janoary 2011


Tsy maintsy hisy ihany ny fifampiresahana sy fifampidinihana eo amin’ireo samy TIM satria raha mitohy ny fifandirana eo amin’izy ireo dia ho lasa ry zareo no ho sakana amin’ny famahana ny olana, ka mety hiteraka krizy hafa indray. Efa re izao fa tsy maintsy hisy ny fihaonana eo amin’Atoa isany Mamy Rakotoarivelo sy Raharinaivo Andrianatoandro amin’ity herinandro ity ho fandaminana izany rehetra izany. Tsy mety aloha raha asiana “co-président” indray ny ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, fa dia asa izay hifandaminan’izy mirahalahy ireto satria miankina amin’io fihaonana io ny mety ho tohin’ny zava-drehetra. Ho hita eo hoe iza no handefitra, saingy hita ho tsy mora ihany ny toe-draharaha satria misy lanjany lehibe ao anatin’ny rafitra tetezamita ny toeran’ny filohan’ny CT, izay fahefana mpanao lalàna miaraka amin’ny CST.

Tsy misy mahalala ny tena ketrehan-dry Raharinaivo sy ny tariny ny rehetra fa dia mahita sy mandre fotsiny aloha ny zavatra ataony amin’izao fotoana. Tsy azo adinoina fa politika no resahana eto koa maro ihany ny zavatra mety hiova tampoka ao anatin’ny indray mipi-maso. Ny azo antoka aloha hatreto dia tsy maintsy hiditra ao anatin’ny rafitra tetezamita ny Ankolafy Telo na dia mbola misy ihany aza ny tsy fitovian-kevitra ny amin’izany. Ny ankolafy Ravalomanana manokana dia efa hatramin’ny volana desambra no nilaza fa vonona ho amin’izany, saingy ireo fepetra napetrany no mbola hodian’ny FAT fanina amin’izao fotoana, anisan’ny goavana amin’ireny ny fiverenana an-tanindrazan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny fanafoanana tanteraka ny raharaham-pitsarana rehetra momba azy.

Na dia tsy nisy nipika aza ny resaka dia azo antoka fa mitaky io fifandaminan’ny samy TIM io ny mpanelanelana tarihin’ny Dr Leonardo Simao mba hahafahana miampita amin’ny dingana manaraka, fa raha sanatria mantsy tsy mahay mifanaraka ny samy ao anaty antoko dia ho sarotra ny raharaha, ary hitombo miandalana ny ankolafy dia ho lasa ady seza fotsiny sisa ny resaka fa tsy misy fijerena intsony ny tena tombontsoa iombonana amin’ny fananganana tetezamita eken’ny rehetra sy iaraha-mitantana. Iaraha-mahita fa efa manomboka miforona indray izao ny antoko sy fikambanana politika vaovao, izay mazava fa na manana tanjona hiditra any anaty ankolafy, na miomana amin’ny fifidianana ho avy. Tsy manamora ny ezaka amin’ny famahana ny krizy anefa izany rehetra izany.

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT