Edito

Dera sy laza


  • Talata 19 Jolay 2022

Dera sy laza ho anao, hoy ny hiran’I Sareraka tany alohan’ny taona 2000 izay. Misaotra anao aho fa nomenao vahoaka dondrona, hoy ny tononkira.

Efa toetrantsika malagasy hatramin’izay io miharitra io. Ho tsinintsika rahateo moa ve? Im-piry voafitaka moa isika izay? 1972, 1991, 2002, 2009, 2018, tolona tsy tolona no natao tamin’ireny fotoana ireny. Fiaretana ihany koa niainana tao anatin’izany ary nanantenana fa hivoatra be amin’izay ity Madagasikara ity saingy indrisy, iaraha-mahita ankehitriny ny niafarantsika. Fahantrana lalina, henatra imason’izao tontolo izao, sampona ataon’ny mpitondra isaky ny mihetsika, tsy fahafezan’ny filoham-pirenen’ny tena kajy ara-bakiteny sy ny ambiny maro izay maha menatra ihany koa ny mitanisa azy. Tsy mbola mitroatra hatreto ny vahoaka. Mety hoe mbola tsy feno, araka ilay fomba fiteny mahazatra, ve ny kapoaka? Dera sy laza ho an’ny vahoaka malagasy, hoy ireo mpanara-baovao, mivazivazy fa inoana fa maro amin’ireo mpitondra, izay maro an’isa amin’ny tsy fahombiazana koa izao no inoana fa tena midera sy mankalaza ity faharetan’io atao hoe Malagasy io hatreto. Mety hanao ilay fisaorana voalazan’ny mpanakanto, araka ny nambara tetsy ambony mihitsy aza ve sanatrian’izany? Enga anie mba tsy ho izany! Enga anie mba tena hikaro-bahaolana tokoa ihany! Enga anie mba mba tsy hipoaka ny fahafenoan’ilay… kapoaka!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT