Edito

Demokrasia inona ity ?


  • Sabotsy 07 Aprily 2018

Demokrasia inona ity ? Lahatsoratra ana manampahaizana iray izay io mendrika fanontaniana voalaza io. Raha tsiahivina ny famakafakan’ny mpanoratra dia nahalasa saina azy io fanontaniana io,

20 taona lasa izay, satria raha nisy fitsapan-kevi-bahoaka natao tao amina tanàna iray mikasika ny filana na tsia lavapiringa dia nilaza ho tsy nila izany avokoa ny 75%-n’ireo mponina na dia efa samy resy lahatra aza fa nampiparitaka aretina. Mifanalavitra amin’izany ve no zava-misy iainana amin’izao fitondrana ankehitriny izao ? Andeha hikipiana ka atao hoe ara-dalàna ny fandaniana ny lalàm-pifidianana nitranga teny amin’ny antenimieram-pirenena. Ekena izany fa na dia tsy levon’ny vavonin’ireo tompona haino aman-jery tsy miankina aza ny andininy faha-110, izay mametra ny fotoam-pahafaha-mampiely hevitr’ireo kandida tsy an-kanavaka dia rariny ve raha kandida tsy afa-naneho hevitra tamin’ny haino aman-jerim-panjakana nandritry ny 4 taona no mbola hiharan’ny teritery rehefa haneho ny heviny ao amin’ny haino aman-jeriny ? Na ireo efa mba nahazo fahalalana mikasika

ny demokrasia aza nanjary fanina hamaritra ity teny iray ity ankehitriny hoe fanjakana avy amin’ny vahoaka ho an’ny vahoaka tokoa ve sa zavatra hafa. Raha kely indrindra dia in-3 niantoana hatrany ny praiminisitra no milaza fa mila laniana io lalàm-pifidianana io isaky ny naneho hevitra tato ho ato. Tokony ho ao anaty rakibolan’ny demokrasia ve ny voambolana hoe “tsy maintsy”  demokrasia inona re ity ee ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT