Edito

Demokrasia inona ?


  • Zoma 20 Aogositra 2010


Telo volana katroka anio raha ny daty saingy omaly alakamisy raha ny andro no nisamborana ka namonjana ireo mpiasan’ny radio Fahazavana, onjampeon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, miisa folo mianadahy ka mpanao gazety ny enina amin’izy ireo, teknisianina ny roa ary mpiambina ny roa hafa. Giazan’ny FAT any am-ponja izy ireo, satria, hono, FJKM. Noho io antony io angamba izany, no nisamborana ka itazomana am-ponja efa telo volana koa izao ny mpitandrina FJKM isany, Rafanonerantsoa Valisoa, tonian’ny Sampana Tanora Kristianina, sy i Soavinarivo Tiburce, FJKM Ambohimandroso Itaosy, ary koa anaovana hazalambo ireo valolahy, mpikambana ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF), izay samy mpitandrina FJKM avokoa. Dia ilay fahalalahana omen’ny lalàmpanorenana ny olom-pirenena tsirairay mihitsy no voatohintohina amin’ny endri-javatra toy izao. Eo ny fahalalahana haneho hevitra, faharoa ny fahalalahana hahazo vaovao, ny fahalalahana hiditra anaty fikambanana ary ny fahalalahana ara-pinoana.

Zo fototra omen’ny lalàmpanorenana avokoa ireo, saingy voahosihosy. Ampangaina ho manohintohina ny fiandrianam-pirenena izy ireo, na Baiboly ankoatra ny fitaovana fandraisam-peo fampiasan’ny mpanao gazety aza no tany amin’izy ireo tamin’ny fotoana nisamboarana azy ny alakamisy 20 mey 2010. Fa mangina na koa iniana ampanginina ny raharaha 26 janoary 2009 nanamarika ny fisian’ny mpitondra amin’izao fotoana izao. May kila hotohotoho ary tsy mbola tafarina mandraka ankehitriny ny radio nasionaly Malagasy sy ny televizionim-pirenena. Toy izany koa ny MBS, orinasan-tseraseran’ny filoha Ravalomanana. Manao tohivakana ny fampidirana am-ponja ireo olom-boafidy, toy ny depiote sy ben’ny tanàna nataon’ity fitondrana FAT ity. Any am-ponja ny Ben’ny tanànan’i Moramanga, Brickaville, raha tsy hitanisa afa tsy ireo. Hozongozonina mafy ary rahonana hametra-pialana koa ny Ben’ny tanànan’Antsirabe, natao fanadihadiana ny depioten’i Vohémar farany teo ary izao dia tsy avela ho afa-maina koa na ministra nametra-pialana aza fa taritarihina any amin’ny Bianco ary nandefasana mpanaramasom-panjakana hitsingoloka ny fitantanany. Koa demokrasia sahala amin’ny inona no hapetraka eto, ary filaminana ahoana no andrasana amin’izany ? 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT