Edito

Demokrasia


  • Alakamisy 15 Septambra 2011

Ankalazaina anio alakamisy 15 septambra ny andro iraisam-pirenena momba ny demokrasia, ilay teny anisan’ny maro mpampiasa indrindra manerantany na any amin’ny firenena matanjaka io na any amin’ny an-dalam-pandrosoana sy farahidiny.

 Ny taona 2007 no nanapa-kevitra ny Firenena Mikambana fa hanokana andro iray ao anatin’ny taona mba hahatsiarovana sy handinihana izany demokraisa izany. Nosintonina avy amina fikambanana teny grika roa izy io, dia ny «Demos» sy «Kratos», izay raha adika tsotsotra dia ny fahefan’ny vahoaka. Ireo firenena tandrefana moa no voalohany tena nampihatra azy io mba ho fandaminana ny fiarahamonina sy ny rafi-panjakana. Efa talohan’i Jesoa Kristy no nisy ny demokrasia, ary ireo firenena nahay nampihatra azy aloha dia hita fa nandroso sy nisongadina na dia tsy maintsy nianatra mafy taonjato maromaro ihany aza. I Etazonia moa amin’izao fotoana no anisan’ny ohatra velona amin’izany fampiharana am-pilaminana ny demokrasia izany satria efa 235 taona izao ry zareo no niaina azy io. Tsy hita any Etazonia mihitsy nanomboka tamin’ny 1776 nahazoany ny fahaleovantena ny hoe fanonganam-panjakana, na tetezamita, na filoha mitsoaka dia mialokaloka any amin’ny firenen-kafa, ny fangatahana famotsoran-keloka faobe noho ny antony ara-politika, na dia eo aza ny firehana politika samihafa, ny fitakiana sy fitokonana etsy sy eroa ary ny fankahalana mpitondra. Efa nisy kosa anefa ny hoe : filoham-pirenena voatery nametra-pialana, na maty novonoina.

Anisan’ny sary mampitsiriritra ny maro ny fahitana ireo filoha roa teo aloha dia Atoa isany George Bush sy Bill Clinton nanatrika ny lanonana nanaovan’ny filoha Barack Obama fianianana. Mba rahoviana ary vao hisy izany eto Madagasikara ? Dia mbola hiandry 10 ve sa 20 sa 50 taona ? Satria tany amin’ny 1989 tany raha nanaiky ny fahamaroan’ny antoko politika mandray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fitondran’ny Amiraly Ratsiraka no nanomboka nianatra izany hoe demokrasia ny Malagasy. Roa taona taorian’io dia nosalorana ny anarana hoe Rain’ny demokrasia ny filoha Zafy Albert, lanim-bahoaka ary nisongadina avy amin’ny tolom-bahoaka. Narodan’ny solombavambahoaka sy ireo mpanao politika niara-nitolona taminy anefa izy telo taona taorian’io, dia tafakatra teo amin’ny fitondrana indray ilay nambara fa mpitondra jadona. Dia nipoitra indray tamin’ny 2001 ny olom-baovao, mpandraharaha mpanefoefo. Tsy fantatra mihitsy teo amin’ny tontolo politika, voafidy ho Ben’ny tanàna aloha, avy eo lasa filoham-pirenena. Narodana indray io afaka enin-taona fa nolazaina fa mpitondra jadona, ka Ben’ny tanàna hafa indray no nasolo azy, ary nilokaloka fa hampanjaka ny fanehoan-kevitra sy ny demokrasia. Dia notokanana ny Kianjan’ny demokrasia teny Ambohijatovo, kanefa rehefa tena tonga teo amin’ny fitondrana izy dia nofoanana indray izany ary naverina ho kianja filalaovan’ny ankizy sy fitsangantsanganana ilay izy. Fa demokrasia inona marina izany ity resahana eto Madagasikara ity e ? Mampilamina marina ny fiarahamonina sy ny firenena ve sa izay maha metimety ny mpitondra sy ny mpanao politika ? Ary sao dia tsy mety amintsika kosa ny demokrasian’ny tandrefana ? Sao dia sodoka mangala-tahaka be loatra isika, ka na efa tsy magneva ny tena aza dia mbola tompoina sy andrianina ihany ? Dia samy manana ny demokrasiany marina ka !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT