Edito

Dama Mahaleo “Handova dezaka eto isika raha izao no mitohy”


  • Alakamisy 14 Jolay 2016

Mitohy hatrany ny hetsika samihafa ara-javakanto sy famelabelaran-kevitra hanasongadinan-dry Dama ao amin’ny tarika Mahaleo sy ny namany mikasika ny maha zava-dehibe ny valimbabena tokony hataon’ny olom-pirenena tsirairay avy amin’ity Madagasikara izay mamokatra sy manome vary sy laoka antsika isan’andro ity.

Omaly tolakandro dia nisy indray ny famelabelaran-kevitra nataony tao amin’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siantsa mahaolona mikasika izany. Tsy nampahafantarina antsika hatramin’izay mihitsy sady nafenina, hoy izy, ny maha saro-pady sy manan-kasina ny tany izay mamelona sy manome aina antsika, hany ka diso ny vahaolana atolotra amin’ny resaka tsy fahampian-tsakafo ho an’ny any atsimo. Raha tokony hotezaina hikolo sy hampamokatra ny tany izy ireo dia toloran’ny malalatanana vatsy ara-tsakafo fotsiny. Raha izao ihany koa no mitohy, hoy hatrany izy, dia ho lasa “zone franche” faran’izay lehibe eto an-tany ity firenena ity satria mitady ho lasa mpanjifa fotsiny sisa isika fa tsy manan-tsaina hamokatra intsony ary dia ho lasa kolontsaina raiki-tampisaka ny hoe mitady asa fa tsy mba mamorona. Handova dezaka eto isika, hoy izy, namehy azy.


Mirija    

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT