Hifarana sahady indray ity ny herinandro, ary inoana fa tsy hisy intsony manomboka izao ny fiketrehana fanonganam-panjakana fa mba hanomboka hilamina amin’izay ny tanàna. Tonga eo amina kihon-dalana iray i Madagasikara. Tsikaritra fa samy miezaka ny mampandefitra ny hambom-pony ireo mpifanandrina politika. Toa miroso tsimoramora any amin’ny famahana ny krizy isika. Mety ho izany angamba no mahatonga ny olona tsy dia mivaky loha firy oatra. Niova kianja ny movansy telo ary tsy kivy fa hanohy hatramin’ny farany ny tolona ho amin’ny famerenana ny ara-dalàna sy ny fananganana ny tena tetezamita iaraha-mitantana. Manana herinandro handrafetana ny mety ho paikadiny amin’ny ady varotra politika mety hatao atsy Afrika Atsimo i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Maro amin’ny mpomba ny roa tonta no tsy mankasitraka ny fihaonana mitokana fa hoe tsy maintsy ireo filoha efatra no mifampidinika. Ao anefa ireo mihevitra fa tsy azo adinoina anefa fa fifanolanana teo amin’ny Filoham-pirenena sy ny Ben’ny tanàna tamin’izany fotoana no niandohan’ny krizy, ka raha misy ny famahana azy, tsy tokony hifampiresaka sy hifanazava ve izy ireo ? Fa inona no antony hanakanana ny fihaonan’ny roa tonta ? Sa misy mahita tombontsoa amin’ny tsy hahatanteraka izany indray any ho any ? Efa hatry ny ela no tokony ho nifanazavan’i Dada sy i Zandry kely, saingy tsy nety tanteraka ilay izy. Raha ny fijery ireo fifampidinihana hatrizay dia toa ny sarety indray no nandeha talohan’ny omby, ka tsy nahagaga raha tsy nahitam-bokany ireny.
Ny mpanatsatso sy ny mpanisy sira koa moa mahita hambara hatrany, ary tsy mety lany bala rora. Ohatry ny misy miketrika ny hisian’ny fifanatrehana mivantana eo amin’i Dada sy Zandry kely mihitsy, fa nahoana mihitsy ? Samy lakilen’ny famahana ny krizy anefa izy ireo, na tiana na tsy tiana, ary samy mahalala zava-miafina. Rehefa vita ny fifanazavana eo amin’izy mianaka dia afaka mihaona miaraka ireo filohan’ny ankolafy 4 dia raiketina indray ny fanaovan-tsonia, ary mba tena hampiharina amin’izay izay nekena fa tsy odiana fanina fotsiny avy eo. Misy efa manombantombana sahady ary izao fa hafana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena, satria tombanana ho i Dada sy Zandry kely no hifanandrina amin’io. Tena hiavaka noho ny fifidianana rehetra nisy teto angamba io, isika rahateo tsy dia zatra ny fihodinana faharoa, fa matetika «1er tour» de vita. Tsy maintsy vahana ifotony ny olana, izay vao azo antoka fa mety hizotra an-tsakany sy an-davany ny famahana ny krizy. Tsy misy mahalala ny ampitso anefa ary mbola ela ihany izany 24 aprily izany, ny hany azo atao dia ny manantena fa efa nahazo lesona tamin’ny zava-nitranga rehetra sy ny fitotongan’ny fiainam-bahoaka tao anatin’izay herintaona mahery izay ny mpanao politika, ka tsy handany andro amin’ny fiovaovan-kevitra, ny fifanasana vangy ary ny ady seza intsony, fa hifanome tanana handresy ny fahavalo iombonana amin’izay, dia ny fahantrana izany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.