Hita ho manomboka adinodino indray tato ho ato izay ny fodiana an-tanindrazan’ireo filoha mirahalahy teo aloha dia Atoa isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana. Ny resaka fananganana tetezamita iaraha-mitantana izao no hita fa tena mahamaika ireo mpanao politika, mbola adivarotra be mantsy ny fidirana ao amin’ny governemanta sy ny CT ary ny CST. Ireo fikambanana sy antoko ary mpanao politika anatin’ny ankolafy tsirairay avy koa moa dia manomboka zarazarain’ny hevitra tsy mitovy, ka ao ireo tsy misalasala intsony fa dia resy lahatra fa ny fidirana ao anatin’ny tetezamita no vahaolana, eo kosa ireo izay mbola manizingizina ny tsy maintsy ampiharana ny satan’i Maputo ka hisantarana izany aloha dia ampiharina ny famotsoran-keloka faobe dia afaka miverina eto Madagasikara daholo ireo mialokaloka any ivelany any.
Tsy tahaka ny eny an-tsena anefa, ka ho vita ao anatin’ny minitra vitsy ny adivarotra eo amin’ny sehatra politika fa tena mety haharitra amam-bolana maro ary maro be ny fandeferana tsy maintsy hatao ao. Fa ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : iza ary no tena handefitra ka vonona hampangina ny hambom-pony ? Raha manaiky ny hiditra ao anatin’ny rafitra tetezamita ve ny Ankolafy Telo, dia hanaiky ny hampiharana ny famotsoran-keloka faobe i Andry Rajoelina sy ny ankolafiny? Mbola tsy misy mahalala ny valiteny amin’izany, fa ny hita kosa aloha dia manomboka milefitra ihany fa tsy nihenjana tahaka ny teo aloha intsony ny mpanohitra ka efa manomboka mitsiritsirika eo am-bavahady miditra ao amin’ny fitondrana tetezamita. Ampy handaminana ny krizy ve anefa izany, ary hampitony ny olona ve io, indrindra fa ireo mpitolona mafana fo nandritra ny roa taona teny an-kianja ? Baikom-pitolomana noventesina hatramin’izay mantsy ny fiverenan’i Dada, dia niampy ny fitakiana ny fiverenan’ny Amiraly avy eo.
Koa raha manomboka miditra tsikelikely ao amin’ny rafitra tetezamita ny ankolafy Ravalomanana sy Ratsiraka ary Zafy Albert eto an-toerana, dia ahoana izany ny amin’izy mirahalahy mianaka any am-pita ? Ny amiraly Ratsiraka moa dia nanizingizina fa ho avy tsy ho ela, efa ho roa volana anefa izay hoe “tsy ho ela” izay fa tsy nipoitra izy. Atoa Ravalomanana indray dia nanome toky fa tsy maintsy hifanatri-tava tsy ho ela amin’ny vahoaka Malagasy ary ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, saingy efa tamin’ny novambra 2009 izy no efa niteny tahaka izany, ka asa hoe hanao ahoana indray ny amin’ity indray mitoraka ity. Ny olona rahateo mifantoka amin’ny fetin’ny noely hankalazana ny nahaterahan’ny mpamonjy amin’izao fotoana ka mety tsy dia miraika firy ny amin’izany, saingy mbola maro be ihany aloha no mino sy manantena fa tsy maintsy ho avy i Dada. .. Be Noely !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.